Ampiorina ao amin’ny finoantsika
Mofonaina anio: Zoma, faha 02 Aprily 2021
Matio 27.45-56
Matio 27.45-56
45 Ary hatramin'ny ora fahenina ka hatramin'ny ora fahasivy dia maizina ny tany rehetra. 46 Ary nony tokony ho tamin'ny ora fahasivy, dia niantso tamin'ny feo mahery Jesosy ka nanao hoe: Ely, Ely, lamà sabaktany? izany hoe: Andriamanitro ô, Andriamanitro ô, nahoana no dia mahafoy Ahy Hianao? (Sal. 22. 1). 47 Ary ny sasany tamin'izay nijanona teo, raha nandre izany, dia nanao hoe: Miantso an'i Elia Ilehio. 48 Ary niaraka tamin'izay ny anankiray teo aminy dia nihazakazaha ka nandray sipaonjy, ary rehefa natsobony tamin'ny vinaingitra izany ka notohiziny tamin'ny volotara, dia natohony hotsentsefin'i Jesosy. 49 Fa ny sasany kosa nanao hoe: Aoka hoe hizahantsika na ho avy hamonjy Azy Elia, na tsia. 50 Ary rehefa niantso tamin'ny feo mahery indray Jesosy, dia nanolotra ny fanahiny. 51 Ary, indro, ny efitra lamba tao amin'ny tempoly dia triatra nizara roa hatrany ambony ka hatrany ambany; dia nihorohoro ny tany, ka nitresaka ny vatolampy; 52 ary nisokatra ny fasana, ka maro ny fatin'ny olona masina izay efa nodi-mandry no natsangana, 53 ka nivoaka avy tao amin'ny fasana ireo taorian*'ny nitsanganan'i Jesosy, dia nankao amin'ny Tanàna Masina ka niseho tamin'ny maro.[*Na:ary taorin',etc] 54 Ary ny kapiteny sy ny fehiny, izay niambina an'i Jesosy, raha nahita ny horohorontany mbamin'izay zavatra tonga teo, dia raiki-tahotra indrindra ka nanao hoe: Marina tokoa fa Zanak'Andriamanitra io Lehilahy io. 55 Ary nisy vehivavy maro nitsinjo teny lavitra eny, izay nanaraka an'i Jesosy hatrany Galilia ka nanompo Azy. 56 Isan'ireny Maria Magdalena sy Maria, renin'i Jakoba sy Josesy, ary ny renin'ny zanak'i Zebedio.Ampiorina ao amin’ny finoantsika
1-Aoka hahafohy tahaka azy isika
Marobe ny hevitra azo ambara amin’ity aiza tamin’ny atoandro ity. Izay fotoana nanombohana an’i Jesoa teo amin’ny hazo fijaliana. Fa raha ampifandraisina amin’ny tenin’i Jesoa hoe : Ely, Ely, Lamà sabaktany, dia azo heverina fa toy ny fotoana nialan’Andriamanitra. Indrindra raha ampitaina ao amin’izay voalaza ao amin’ny Gen 1.1-2 dia voalaza fa aizina no nanjaka voaloHany teto an-tany. Fa rehefa niditra an-tsehatra Andriamanitra, dia nampisy ny mazava eto dia toa niala Izy ka niverina ny aizina nandrakotra ny tany. Navelany ny zanany tao anatin’izany. Nafoiny ny zanany mba hijaly sy ho faty mba ho famonjena antsika mpanota fa maro isika no tsy mahatsiaro izany zava-dehibe nataon’Andriamanitra izany. Toy ny milaza i Jesoa hoe : « nahoana no dia mahafoy ahy hianao ? »
Kanefa ireto olona ireto tsy misy mahafoy ny fahotany akory.
2-Aoka samy hiaina fanavaozana :
Ny nanaovan’Andriamanitra ny andro araka Gen 1.5 dia manomboka ny hariva fa tsy manomboka ny maraina izay hiheverantsika azy. Koa raha voalaza eto fa maizina ny tany rehetra dia manambara fiainam-baovao izay atolotr’Andriamanitra antsika izany. Fa maro isika no mihevitra fa mandao antsika Andriamanitra rehefa manjombona ny androntsika na mandeha anaty aizim-pahoriana isika.
Hay izay ilay fotoana anomboan’ny andro vaovaontsika miaraka amin’ny Tompo. Mazava izany izao fa ilay zanaka’Andriamanitra nanaiky hiditra anaty aizim-pahoriana no hamotika ny fanjakan’ny aizina eo amin’ny fiainantsika (Jaona 8.12)
Fanontaniana :
Manam-paniriana hanaraka ny Tompo ve ianao amin’izao zoma Masina izao ?