Ampiasaina mandrakariva ao amin’ny Baiboly ny hoe: « miverena » , milaza inona aminao izany ?

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 16 Martsa 2020

JEREMIA 31.21-25

JEREMIA 31.21-25
21 Manangàna famantaran-dalana ho anao ianao, manorena tsangam-bato; Saino tsara ny lalana efa voavoatra, dia ilay lalana efa nalehanao; Miverena indray, ry Isiraely virijina, miverena indray ho amin'ireto tanànanao ireto. 22 Mandra-pahoviana no hirioriovanao, ry zanakavavy mpiodina? Fa Jehovah efa namorona zava-baovao amin'ny tany: Vehivavy no hanodidina lehilahy. 23 Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Mbola holavina indray ao amin'ny tanin'ny Joda sy ao amin'ny tanànany izao teny izao, raha hampodiko avy amin'ny fahababoany izy: Hotahin'i Jehovah anie ianao, ry fonenan'ny fahamarinana, sy ry tendrombohitry ny fahamasinana! 24 Ary ny Joda sy ny tanànany rehetra dia hiara-monina ao aminy ho mpiasa tany sy ho mpilasy mitondra ny andian'ny ondry aman'osiny. 25 Fa ny fanahy ana dia hampisotroiko, ary ny fanahy mihaosa rehetra dia hovokisako.

Ampiasaina mandrakariva ao amin’ny Baiboly ny hoe: « miverena » , milaza inona aminao izany ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM