Ampianarin’i Jesoa isika anio fa ny tena fanajana an’Andriamanitra dia:
Mofonaina anio: Talata, faha 27 Febroary 2024
Matio 15. 1-9
Matio 15. 1-9
1 Dia nankeo amin'i Jesosy ny Fariseo sy ny mpanora-dalàna sasany avy tany Jerosalema ka nanao hoe: 2 Nahoana ny mpianatrao no mandika ny fampianarana voatolotry ny razana? Fa tsy mba manasa tanana izy, raha hihinan-kanina. 3 Ary Izy namaly ka nanao taminy hoe: Nahoana kosa ianareo no mandika ny didin'Andriamanitra noho ny fampianarana voatolotra anareo? 4 Fa Andriamanitra efa nanao hoe: Manajà ny rainao sy ny reninao (Eks. 20. 12), ary koa: Izay miteny ratsy ny rainy na ny reniny dia hatao maty tokoa (Eks. 21. 17). 5 Fa hoy kosa ianareo: Na zovy na zovy no hilaza amin'ny rainy na ny reniny hoe: Efa fanatitra ho an'Andriamanitra izay rehetra tokony hahazoanao soa avy amiko, dia tsy mba hanaja ny rainy akory izy. 6 Koa dia foananareo ny tenin'Andriamanitra noho ny fampianarana voatolotra anareo. 7 Ry mpihatsaravelatsihy, marina ny naminanian'Isaia anareo hoe: 8 Ity firenena ity manaja Ahy amin'ny molony; Fa ny fony kosa lavitra Ahy. 9 Koa foana ny ivavahan'ireo amiko, raha mampianatra ny didin'olombelona ho fampianarana izy (Isa. 29. 13).Ampianarin’i Jesoa isika anio fa ny tena fanajana an’Andriamanitra dia:
1. Tsy amin’ny fombafomba ivelany (and 2)
« Nahoana ny mpianatrao no mandika ny fampianarana voatolotry ny razana? Fa tsy mba manasa tanana izy ireo rehefa hihinan-kanina ». Nanomezan’ny fariseo sy ny mpanora-dalana tsiny ny mpianatr’i Jesoa ny amin’ny lazain’izy ireo fa tsy fanajana ny fampianarana voatolotry ny razana, Maika dia maika hitsara sy hanome tsiny ireto fariseo sy mpanora-dalana ireto, satria izy ireto dia te hanaraka ara-bakiteny ny lalana, dia ireo didy amam-pitsipika voasoratra. Mahavariana fa ny fitandremana izany no noheverin’izy ireo fa maha masina azy ireo (satria nihevi-tena ho hany manana fahamasinana sy hany akaiky an’Andriamanitra izy ireo)
2. Tsy amin’ny fihatsarambelatsihy (and 7)
« Ry mpihatsaravelatsihy, marina ny naminanian’i Isaia anareo hoe: ity firenena ity manaja Ahy amin’ny molony ». Hentitra ny valin-tenin’i Jesoa, ary mavesabesatra. Nindramin’i Jesoa ny tenin’i Isaia mpaminany; entina maneho amin’ireto fariseo sy mpanora-dalana ireto fa tsy tena fanajana an’Andriamanitra dia avy ao am-po, vokatry ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny fatahorana Azy fa tsy hoe filan-dera eo imason’ny olombelona fotsiny, satria manana « Titre » (Mpitandrina e, Diakona e, Mpiandry e….). tokony hampifanarahina ny ambara sy ny atao. Tsy miseho ho masina ivelany amin’ny fitafiana miavaka noho ny an’ny hafa (tahaka ny an’ny fariseo), na fitia te hoderaina ho tena mpivavaka; fa ny fo ao anaty no feno fahamasinana sy fanajana an’ Andriamanitra sy mangetaheta hanoa ny didiny. Tandremo fa mahazo teny mahitsy avy amin’i Jesoa an!
Fanontaniana:
Manao ahoana ny fanajanao an’ Andriamanitra?
Sampana Sekoly Alahady Foibe