Amin’ny toerana rehetra Andriamanitra.
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 13 Aprily 2024
Salamo 139.7-12
Salamo 139.7-12
7 Aiza no hialako amin'ny Fanahinao? Aiza no handosirako tsy ho eo anatrehanao? 8 Na dia miakatra any an-danitra aza aho dia any Hianao; Ary na dia manao ny fiainan-tsi-hita* ho fandriako aza aho, indro, any Hianao.[Heb. Sheola] 9 Na dia maka ny elatry ny maraina aza aho, Mba hitoetra any am-paran'ny ranomasina, 10 Dia mbola entin'ny tananao ihany aho, na dia izany aza, Sy hazonin'ny tananao ankavanana. 11 Ary na dia hoy izaho aza: Aoka ny maizina hanarona ahy, Ary aoka ny mazava manodidina ahy ho tonga alina, 12 Tsia*, fa ny maizina aza tsy mahamaizina aminao; Fa ny alina dia mahazava toy ny andro ihany, Ka sahala ny mazava sy ny maizina.[Na: Na dia hoy izaho aza: Hanarona ahy tokoa ny maizina, Dia ny alina aza no ho mazava manodidina ahy; Eny, etc]Amin’ny toerana rehetra Andriamanitra.
1-Tsy hay handosirana (and 7-9)
Mifehy sy maheta ny zavatra rehetra Andriamanitra. Ny mpanao Salamo eto dia manambara ny fanatrehany amin’ny fotoana sy toerana rehetra ka ambarany fa tsy ho afa-miala amin’ny fanahin’Andriamanitra izy, tsy ho afaka mandeha manalavitra na mandositra Azy (and 7). Tsy misy afaka handositra ny tavany, na iza na iza, na aiza na aiza fa Izy dia amin’ny toerana rehetra.
2- Mitahy hatrany
Fantatry ny mpanao Salamo fa na dia toy ny inona aza ny elanelan-tany izay heveriny fa hanalavirana an’Andriamanitra, dia tsy hahasakana Azy hanatrika velively izany. Tsapany koa fa Andriamanitra no mihazona azy amin’ny toerana sy amin’ny fotoana rehetra ka tsy mamela azy ho solafaka na ory. Momba sy mitahy ary miaro ny olony Andriamanitra na dia manao hadalana sy tsy mendrika aza izy.
3-Tsv misy fahamaizinana ao Aminy (and11-12)
Nanana fikasana ny handositra an’Andriamanitra ny mpanao Salamo. Lazainy anefa fa na anaty aizina tsy hahasakana an’Andriamanitra amin’ny fanatrehany ny olona. Izay heverin’ny olona fa maizina dia mazava avokoa ao Aminy. Tsy takatry ny saina ny maha Andriamanitra Azy.
Fanontaniana:
Inona ary no tokony ho ataonao raha manatrika amin’ny toerana rehetra Andriamanitra?
Sampana Sekoly Alahady Foibe