Amin’ny fiavian’ny Mesia
Mofonaina anio: Alarobia, faha 30 Desambra 2020
ISAIA 11.1-10
ISAIA 11.1-10
1 [Ny amin'ny famonjena hataon'Ilay Solofon'i Davida, sy ny hira fiderana hatao amin'izany] Ary hisy Solofo mitsimoka eo amin'ny fototr'i Jese, ary hisy mitrebona avy eo amin'ny fakany; 2 Ary ny fanahin'i Jehovah hitoetra ao aminy, dia ny Fanahin'ny fahendrena sy ny fahazavan-tsaina; Ny Fanahin'ny fanoloran-tsaina sy ny faherezana; Ny Fanahin'ny fahalalana sy ny fahatahorana an'i Jehovah; 3 Ary ho hanitra ankasitrahana aminy ny fahatahorana an'i Jehovah, ka tsy hitsara araka ny hitan'ny masony izy, na hampiaiky araka ny ren'ny sofiny; 4 Fa hotsarainy amin'ny fahamarinana ny malahelo; Ary homeny rariny ny mpandefitra amin'ny tany; hamely ny tany amin'ny tsorakazon'ny vavany Izy, ary ny fofonain'ny molony no hamonoany ny ratsy fanahy. 5 Fahamarinana no ho fisikinany, ary fanahy mahatoky no ho fehin-kibony 6 Ary ny amboadia* hiara-mitoetra amin'ny zanak'ondry; Ny leoparda hiara-mandry amin'ny zanak'osy; Ary ny zanak'omby sy ny liona tanora sy ny ombikely mifahy hiray toerana, Ary ny zazakely no hiroaka azy.[lopa] 7 Ary ny ombivavy sy ny bera hiara-komana; Ny zanany hiara-mandry; Ary ny liona hihina-mololo tahaka ny omby; 8 Ny zaza minono hilalao amin'ny lavaky ny vipera, ary ny zaza mitsaha-nono haninjitra ny tànany ao amin'ny lavaky* ny menarana. [Na: voamason'] 9 Ary tsy handratra na hanimba eran'ny tendrombohitro masina izy; Fa ny tany ho henika ny fahalalana an'i Jehovah, tahaka ny anaronan'ny rano ny fanambanin'ny ranomasina. 10 Ary amin'izany andro izany ny solofon'i Jese, Izay hitsangana ho fanevan'ny firenena, dia Izy no hotadiavin'ny jentilisa; Ary ny fitoerany dia ho voninahitra.Amin’ny fiavian’ny Mesia
1-Hitsara araka ny fahamarinana (and1-4)
Nihevitra ny tenany ho ambony noho Andriamanitra ny mpanjakan’ny Asyriana . Andriamanitra ihany no tompon’ny teny farany . Nambaran’ny mpaminany fa raha vao miverina amin’i Jehovah ny Israely dia niditra an-tsehatra Izy . Hisy Mpanjaka hiseho avy amin’ny taranak’i Davida . Ara-tantara dia i Hezekia no tondroin ‘io faminaniana io , nefa koa dia milaza ny fiavian’i Jesoa Kristy hanafaka ny olona rehetra . Hitoetra ao Aminy ny Fanahin’i Jehovah , hamonjy ireo izay iharan’ny tsy rariny sy ireo mpandefitra Izy , fa ny mpihetraketraka sy ireo ratsy fanahy sy ireo izay minia manohitra an’ Andriamanitra kosa dia hotsarainy araka ny fahamarinana . Izany fitsaran’ny Mesia izany no fiandohan’ny fitsarana farany mialohan’ny hahatanterahan’ny fanjakany . Fotoana fibebahana izao .
2-Mitondra fiadanana (and5-10)
Ny fahasimban’ny fifandraisan’ny olona amin’Andriamanitra no fototry ny fahasimban’ny tontolo iainana . Ny fahatanterahan’ny fanjakan’ i Mesia kosa no mandevona ny faharatsiana sy ny korontana rehetra . Hanenika ny tany manontolo ny fahalalana an’i Jehovah (and9) . Tsy handramatra ny biby fiompy intsony ny bibidia . Hiverina amin’ny firindrana araka izay nandaharan’Andriamanitra azy tany am-boalohany ny zavatra rehetra (and6-8) . Tsy misy afa-tsy ny fiverenana amin’Andriamanitra ihany no mitondra fiadanana ho an’ny olombelona sy ny zava-boahary manontolo .. Ny fampiharana izany dia amin’ny alalan’ny famelana an’i Jesoa Kristy , Ilay Mesia hanapaka sy hanjaka ao am-pontsika .
Fanontaniana :
Misy ifandraisany ve ny fahotan’ny olombelona sy ny aretina ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM