Amin’ny andro hihavian’ny Tomp
Mofonaina anio: Zoma, faha 11 Martsa 2022
Jaona 5,24-29
Jaona 5,24-29
1 Rehefa afaka izany, dia nisy andro firavoravoan'ny Jiosy, ary Jesosy niakatra tany Jerosalema.Amin’ny andro hihavian’ny Tomp
1- Izay nanao ny tsara dia ho any amin’ny fiainana mandrakizay (and 29a)
« Izay nanao ny tsara dia ho any amin’ny fitsanganana ho fiainana ». Andriamanitra no efa mandahatra ny momba izay rehetra nanao ny tsara. Izay no nahatongavan’i Jesoa Kristy mba hitaona ny olona hanao ny tsara ary ny hanome azy ny fiainana mandrakizay. Mba rariny kosa izany. Tsy tokony hahagaga.
2- Izay nanao ny ratsy kosa dia voaheloka any amin’ny afobe (and 29b)
« Izay nanao ny ratsy kosa dia ho any amin’ny fitsanganana ho fahamelohana ». Izany dia manambara ny fijaliana mafy miandry any amin’ny afobe izay mahamay tsy zaka tsy manam-pahataperana intsony fa mandrakizay. Feno fanenenana amin’izany ary fahoriana tsy misy ohatra azy. Ry havana mangidy loatra izany raha ny fiheverana izany an-tsaina fotsiny aza, tsy ilaina ny manandrana mahafantatra tsara ny mombamomba izany fa zava-doza loatra. Koa andeha hibebaka hatrany hatrany.
Fanontaniana :
Iza amin’ireo no mba tianao aleha ? Fantaro tsara ary izay ataonao ?
SAMPANA SEKOLY ALAHADY FOIBE FJKM