Ambarao àry ny fanafahana
Mofonaina anio: Zoma, faha 03 Jolay 2020
LEVITIKOSY 25.8-13
LEVITIKOSY 25.8-13
8 Ary manisà sabatan-taona fito ho anao, dia fito taona impito, ka ny hanisanao ny andron'ireo sabatan-taona fito ireo dia sivy amby efa-polo taona. 9 Dia mitsofa anjomara avo feo amin'ny andro fahafolo amin'ny volana fahafito; dia amin'ny andro fanavotana no hitsofanareo anjomara eran'ny taninareo. 10 Ary hamasino ny taona fahadimam-polo, ka miantsoa fanafahana amin'ny tany ho an'ny mponina rehetra ao aminy; Jobily ho anareo izany, ka samia mody any amin'ny taninareo avy ianareo sy any amin'ny mpianakavinareo avy. 11 Jobily ho anareo izany taona fahadimam-polo izany; aza mamafy ianareo, ary aza mijinja izay maniry ho azy avy tamin'ny voa nihintsana tamin'ny fararano lasa, ary aza mioty ny avy tamin'izay tsy namboarinareo; 12 fa Jobily izany ka ho masina ho anareo. Izay vokatra alaina any an-tsaha no hohaninareo. 13 Amin'izany taona Jobily izany dia samy hody amin'ny taninareo avy ianareo.Ambarao àry ny fanafahana
1-Ho ren’ny olona rehetra (and9)
Voalaza eto hoe: « Dia mitsofa anjomara avo feo… »,izany hoe: tsy afenina fa atao ren’ny olona rehetra tsy ankanavaka ny fanafahana avy amin’ny Tompo araka ny fandaminany rahateo .Ny anjomara mantsy dia zava-maneno efa natao ho re ,fa tsindriana mafy eto hoe: « avo feo« ,mba tsy hisy na dia olona iray aza tsy handre. Ary rehefa mandre ny olona rehetra dia hanatanteraka ny fomba sy ny fanao rehetra mifanaraka ary aoka handre ny olona rehetra , fa efa tonga ny mpanafaka , ary tsy miandry dimampolo taona fa mitondra ny fahafahana ho an’izay rehetra mandray Azy na izao dia izao aza izany , tsy iza izany fa i Jesoa .
2-Satria manana anjara amin’izany ny olona rehetra (and10)
Voalaza eto koa hoe: « ary hamasino ny taona fahadimampolo ka miantsoa fanafahana amin’ny tany ho an’ny mponina rehetra ao aminy » , izany hoe: tsy atao mandre fotsiny ny olona fa atao tsapany mihitsy koa fa izy koa dia manana anjara amin’izany fanafahana izany ka tsy tokony hisalasala , hiaina io taom-panafahana io . Isika koa dia manana adidy ,tsy ny hampandre ny olona fotsiny hoe : manafaka na vonona hanafaka i Jesoa , ary izao no fotoana ,fa ny hanao izay hahatonga azy hahatsiaro fa tsy diso anjara amin ‘izany izy .Torio ho ren’ny olona i Jesoa , ary ampio hahatsapa fa ho azy indrindra izany .
Fanontaniana:
Ahoana no hahazoana manao izay hahatsapan’ny olona fa ny fanafahana entin’i Jesoa dia ho azy ireo koa?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM