Alatsinainy 30 Martsa 2020

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 30 Martsa 2020
Asan'ny Apostoly 15,13 - 21
13 Ary rehefa nitsahatra tsy niteny izy roa lahy, dia namaly Jakoba ka nanao hoe: Ry rahalahy, mihainoa ahy: 14 Simeona efa nanambara izay nitsinjovan'Andriamanitra ny jentilisa tamin'ny voalohany hanalany olona aminy hankalazana ny anarany. 15 Ary mifanaraka amin'izany ny tenin'ny mpaminany, araka ny voasoratra hoe: 16 Rehefa afaka izany, dia hiverina Aho Ka hanangana ny trano-lain'i Davida izay efa nianjera; Ary hanangana izay efa rava ao Aho Ka hanamboatra azy indray; 17 Mba hitady ny Tompo ny olona sisa sy ny jentilisa rehetra, Izay efa niantsoana ny anarako, hoy Jehovah, 18 Izay manao izany zavatra fantatra hatramin'ny voalohany indrindra izany (Amo. 9. 11, 12). 19 Koa dia izao no hevitro: Tsy mety raha isika manome fahasahiranana ny avy amin'ny jentilisa izay miverina ho amin'Andriamanitra; 20 fa aoka hanoratra epistily aminy isika mba hifadiany ny hena fahavetavetana aterina amin'ny sampy sy ny fijangajangana ary ny zavatra kendaina sy ny rà. 21 Fa hatramin'ny razana fahiny dia manana izay mitory azy ao amin'ny isan-tanàna Mosesy, fa vakina ao amin'ny synagoga rehetra isan-tSabata ny teniny.

1-Ho an’ny rehetra ny fiverenana amin’
Andriamanitra

Misy  faniriana
avy  amin’ny firenena hafa eto mba ho
isan’ny fiangonan’ Andriamanitra , satria efa mino  sy mandray ny fampianaran’ny Filazantsara.Toa
hasarotin’ny sasany  anefa izany  fidirana ho isan’ny fiangonana  izany
satria terena  hoforana izy
ireo  ary tsy maintsy manaraka  ny lalàn’I Mosesy ara-bakiteny koa (and5)
.Raha  tsy izany  dia tsy azo ekena , hoy izy ireo .Tsy mitovy
hevitra  anefa  ny rehetra
, satria tsy tokony  hohasarotina  ny fidirana
ho isan’ny fiangonana (and19). Tsy
manavaka izay tena  mitady  Azy mantsy
Andriamanitra  ary miandry  sy mandray
ny olona rehetra te-hiverina
Aminy indrindra koa .

2-Tsara ny hanoratana
Epistily  ho amin’izany

Eo  amin’ny and 20 dia misy  filazana hoe: “aoka hanoratra  Epistily  aminy isika”.Taratasy  nosoratan’olona ho amin’olon-kafa  no  hevitry  ny hoe: Epistily ,ary tonga  nilazana ireo  taratasy  nosoratan’ny Apostoly  ho an’ny fiangonana  nampianariny  na ho an’ny mpianany tsirairay izany .Maro ny tombotsoa raketin’nyEpistily :

-azo ambara  ao  avokoa  ny zavatra tiana hampitaina rehetra ( eto izao  dia misy  hoe: filazana ny fifadiana  , sehatry ny fanompoantsampy  sy ny fijangajangana rehetra.

-tsy  voatery hifamotoana  mandrakariva

Ny mpampianatra  sy
ny  mpianatra  nefa azo
ampiasaina amin’ny fotoana rehetra ny Epistily  mba handinihan-tena ka hiverenana amin’ny Tompo
.

Zava-dehibe ilay hoe : ny soratra  mitoetra fa ny teny manidina .

Fanontaniana:

Olona voatokana ihany ve no antsoina hiverina amin’ny Tompo ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM