Alamino ny sainao ry mino !

Mofonaina anio: Alahady, faha 21 Novambra 2021

Jaona 11. 21 – 27

Jaona 11. 21 – 27
21 Ary hoy Marta tamin'i Jesosy: Tompoko, raha teto Hianao, dia tsy maty ny anadahiko. 22 Nefa fantatro fa na dia ankehitriny izao aza na inona na inona no hangatahinao amin'Andriamanitra dia homen'Andriamanitra Anao. 23 Hoy Jesosy taminy: Hitsangana ny anadahinao. 24 Fa hoy Marta taminy: Fantatro ihany fa hitsangana izy amin'ny fitsanganan'ny maty amin'ny andro farany; 25 Hoy Jesosy taminy: Izaho no fananganana ny maty sy fiainana; izay mino Ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray. 26 Ary izay rehetra velona ka mino Ahy dia tsy ho faty mandrakizay. Mino izany va ianao? 27 Hoy izy taminy: Eny, Tompoko; mino aho fa Hianao no Kristy, Zanak'Andriamanitra, Ilay ho tonga amin'izao tontolo izao.

Alamino ny sainao ry mino !

  • Fa mahita làlana mandrakariva ny Andriamanitrao (and 21 – 22 )
  •  Marta dia nino fa mbola misy zavatra hafa hain’i Jesoa atao ihany, na dia tsy teo aza Jesoa fony narary ny anadahiny ka maty ihany. Isika ihany koa tokony hanana finoana tahaka izany ,ka na dia toa tsy mihetsika amin’ny trangan-javatra hafa iray nangatahantsika aza i Jesoa, dia mbola misy zavatra hafa hainy atao fa alamino fotsiny ny saina sy ny fo. Izany foana mihitsy matetika ny fomba fiasan’Andriamanitra eo amin’ny fiainantsika. Eo vao tena ampiasaina ny finoana, ny mampalahelo anefa dia eo no betsaka ny latsaka. Hoy ny Jeremia 29 : 11 : «  Izaho mahalala ny hevitra iheverako anareo, hoy Jehovah, dia hevitra hahatonga fiadanana fa tsy loza, mba hanome anareo ny fanantenana ny amin’ny farany ».

    2. Fa manana fahefana amin’ny zavatra rehetra ny Andriamanitrao ( and 23 – 26 )

    Manana fahefana amin’ny fahafatesana Jesoa Kristy sady manana fahefana amin’ny fiainana koa, satria Izy no mpamorona aina. Na dia maty fanahy aza isika dia afaka mamelona ny fanahintsika Izy. Na dia maty koa aza ny vatantsika dia mbola afaka mamelona izany vatana izany Izy, raha hitany ny mahamety izany. Kanefa aza miandry an’izany fa sao diso fanantenana, aza hadinoina fa olombelona isika. Miezaha, na sarotra aza ny mandamina ny saina sy ny fo; fa ao aorina kely ao dia ho voavalinao ny fanontaniana saro-balina ao an-tsainao ao.

    Fanontaniana :

    Raha manoloana ny fahafatesana ny olona izay miantoka ny fiainanao, mbola matoky ve ianao fa mbola voaantoka ihany izany fiainanao izany ?

    SAMPANA SEKOLY ALAHADY FOIBE FJKM