Mibebaha eo  anatrehan’ny  Tompo 

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 15 Martsa 2018

Mibebaha eo  anatrehan'ny  Tompo 

Apokalypsy  2.18-29
18 [Tyatira] Ary soraty ho amin'ny anjelin'ny fiangonana* any Tyatira: Izao no lazain'ny Zanak'Andriamanitra, Izay manana maso toy ny lelafo, ary ny tongony tahaka ny varahina manganohano: [* Gr. eklesia] 19 Fantatro ny asanao sy ny fitiavanao sy ny finoanao sy ny fanompoanao ary ny faharetanao, ary ny asanao farany dia be noho ny voalohany. 20 Kanefa manan-teny aminao Aho, satria ianao mandefitra amin'ilay vehivavy Jezebela, izay milaza ny tenany ho mpaminanivavy ka mampianatra sady manoloky ny mpanompoko hijangajanga sy hihinana hena naterina tamin'ny sampy. 21 Ary nomeko andro hibebahany izy, nefa tsy mety mibebaka amin'ny fijangajangany izy. 22 Indro, hampandamahiko eo am-pandriana izy, ary izay mijangajanga aminy dia hataoko ao amin'ny fahoriana lehibe, raha tsy hibebaka amin'ny asan-dravehivavy izy. 23 Ary hovonoiko amin'ny fahafatesana ny zanany; ary ny fiangonana* rehetra hahalala fa Izaho no mandinika ny voa sy ny fo; ary homeko araka ny asanareo avy ianareo rehetra. [* Gr. eklesia] 24 Fa aminareo izay sisa any Tyatira, dia izay tsy manana izany fampianarana izany sady tsy mba mahalala ny ataon'ireo hoe "sain-dalin'i Satana", dia izao no lazaiko: tsy hovesarako entana hafa ianareo; 25 kanefa izay anananareo dia tano mafy mandra-pihaviko. 26 Ary izay maharesy ka mitandrina ny asako hatramin'ny farany dia homeko fahefana amin'ny jentilisa; 27 ary hiandry azy amin'ny tehim-by izy ka hanorotoro azy toy ny fanorotoro vilany tany, dia araka izay efa noraisiko tamin'ny Raiko. 28 Ary homeko azy ny kintana fitarika andro. 29 Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain'ny Fanahy amin'ny fiangonana*. [* Gr. eklesia]

Mibebaha eo  anatrehan’ny  Tompo 

Apokalypsy  2.18-29

1-Mitarika  azy  hanompo 

Ny  asa  fanompoana  efa nataon’ny  fiangonana dia miharihary  eo anatrehan’ Andriamanitra  . Nanao  asa  lehibe  noho ny teo aloha  ny tao Tyatira . Jesoa  efa nampianatra  fa  hanao  asa  lehibe ny fiangonana  rehefa  tsy ety  an-tany  intsony izy  . Mitarika antsika  hanatanteraka  ny anjarany  avy saingy   tsy  tokony   haroharoana faharatsiana  satria   tsy  zakan’ Andriamanitra   ny fivoriana masina  afangaro  amin’ny fanompoantsampy  tahaka an’i Jezebela .

2-Manarina ny  lavo 

Ny  fibebahana ihany   no  endrika   fanarenan’ny  Tompo   ny  lavo . Manan-kery   hamafana ny  heloka  sy ny fahotana  rehetra   ny  sorona nataon’ny Tompo  tamin’ny tenany  , dia ny nandatsahany  ny Rany   ho fanavotana  antsika . Tiany  handresy   ny faharatsiana  sy ny tsy fahamarinana  rehetra  isika  ka omeny   ny teniny   ho fanarenana . Aoka  hivelona   amin’ny teniny   ny  finoantsika , ny asa fanompoana  dia hatao   mifanaraka   amin’ny sitrapony  ao  amin’ny Soratra masina   rahateo  hanamarika fa   mpanompony isika .

Fanontaniana:

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM