Alahady 27 Novambra 2016

Mofonaina anio: Alahady, faha 27 Novambra 2016

ANKASITRAHAN'NY TOMPO  NY ASAN'NY MINO

ANKASITRAHAN’NY TOMPO  NY ASAN’NY MINO

Alahady  27 Novambra 2016

Ny mpino   manao  asa tsara

Mitaona  ny mpino    mba hiaina   marina  araka ny Tenin’ Andriamanitra   i Paoly . Amin’ny  zavatra  rehetra  dia tokony haseho   ny toetra  mendrika  maha-kristiana .

1- Mahita   ny atao rehetra ny Tompo 

Ny toe-po manaiky   sy mankato   no tena tian’ny Tompo  hananana’ny mpanompo  raha  manatanteraka  asa izy  ireo . Tsy amin’ny fisehoana   ety ivelany  ihany   fa tena  avy ao   am-po  ka hihevitra   ny atao rehetra   ho toy  ny an’ny Tompo . Rehefa fantantsika  fa mahita   ny ataontsika  rehetra   ny Tompo dia miasa   amin’ny tahotra  hatrany   isika , tsy mijery  olona   eo am-panatanterahana  asa  fa mihevitra  ny Tompo . Manao  ho zava-dehibe  ny andraikitra atolotra   antsika ka mikajy   fatratra  izany  noho  ny amin’i Jesoa  Tompontsika isika .

2-Mandray  valimpitia  avy aminn’y Tompo  

Hovalian’ Andriamanitra  araka   ny asa nataony  na ny fanatanterahana  ny andraikitra nomena azy   ny tsirairay   . Fiainana mandrakizay    no lova  tsara  ho an’ny mahatoky    tamin’ny fanompoana  . Fahaverezana  mandrakizay  kosa no anjaran’izay  nanao antsirambina  ny asany . Tarihina  araka izany isika  mba hanao asa tsara  , handray   ny lova  nampanantenain’ Andriamanitta  ho an’ny olony marina .

Fanontaniana:

Tsapanao  ve fa  amin’ny ataonao rehetra  dia toy  ny manao   asa ho an’ny Tompo ianao ?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM