« Aiza ny teny fikasana ny amin’ny fiaviany? »
Mofonaina anio: Alakamisy, faha 09 Novambra 2023
2 Petera 3. 1-4
2 Petera 3. 1-4
1 [Ny amin'ny hihavian'ny Tompo, sy fananarana noho izany] Ry malala, ity no epistily faharoa soratako ho aminareo ankehitriny, ka izy roroa dia samy entiko mampifoha ny sainareo madio amin'ny fampahatsiarovana, 2 mba hahatsiarovanareo ny teny voalazan'ny mpaminany masina rahateo sy ny didin'ny Tompo sady Mpamonjy izay nentin'ny Apostoly nirahina ho at? aminareo; 3 efa fantatrareo voalohany indrindra fa amin'ny andro farany dia hisy mpaniratsira avy haniratsira, mandeha araka ny filany 4 ka manao hoe: Aiza ny teny fikasana ny amin'ny fihaviany? Fa hatrizay nodian'ny razana mandry dia maharitra tsy miova ny zavatra rehetra; eny, hatramin'ny nanaovana izao tontolo izao aza.« Aiza ny teny fikasana ny amin’ny fiaviany? »
Fanontaniana napetraky ny olona tamin’ny andro nanoratan’i Petera ny Epistiliny izany. Toa manambara hoe aiza akory? Ny hoe: « Teny fikasana », dia tsy zava-baovao ao amin’ny Soratra Masina. Fa milaza indrindra ny zavatra ho avy eo ambany fitantanan’Andriamanitra. Raha nanambara ny Teny fikasana tamin’i Abrahama Andriamanitra dia nampisy zavatra noheverina ho tsy hisy mihitsy, dia ny nahazoany taranaka na dia efa antitra sy nitsaha-jaza aza ny vadiny. Ny « Teny fikasana» dia misy tanjona manokana dia ny fahavelomana ho an’izay ilazan’Adriamanitra azy. Amin’ izany dia misy zavatra takian’ Andriamanitra amin’ny olona, dia ny fahamasinana. Mba manontany izany ihany koa ve isika? Andriamanitra dia tsy mba mandainga fa mahatanteraka ny Teny fikasany. Fa isika ve mba manao izay angatahiny amintsika? Ny Teny fikasany tsy maintsy ho tanteraka fa isika ve mba efa tanteraka? Hoy Jesoa: «… Kanefa, raha avy ny Zanak’olona, moa hahita finoana ety ambonin’ny tany va lzy? » (Lio 18)
Fanontaniana :
Inona avy no mety tsy hahavonona anao amin’ny fiavian ‘ny Tompo?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM