Ahoana ny fomba hiatrehana zava-tsarotra?

Mofonaina anio: Alarobia, faha 15 Janoary 2025

Sal 25.1-5 / Hira 549.1,2 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 549.5

2 Tantara 20,5 - 5,9
5 Ary Josafata nitsangana teo amin'ny fiangonan'ny Joda sy Jerosalema, Tao amin'ny tranon'i Jehovah, teo anoloan'ny kianja vaovao, 6 ka nanao hoe: Ry Jehovah ô, Andriamanitry ny razanay, tsy Hianao va no Andriamanitra any an-danitra? Eny, Hianao no manapaka amin'ny fanjakan'ny jentilisa rehetra, ary eo an-tananao ny hery sy ny fahefana, ka tsy misy mahasakana Anao. 7 Ry Andriamanitray ô, tsy Hianao va no nandroaka ny mponina tamin'ity tany ity hiala teo anoloan'ny Isiraely olonao ka nanome azy mandrakizay ho an'ny taranak'i Abrahama sakaizanao? 8 Ary nonina tat? izy ka nanao fitoerana masina teto ho an'ny anaranao sady nanao hoe: 9 Raha manjo anay ny loza, na sabatra, na famaliana, na areti-mandringana, na mosary, ary hitsangana manatrika ity trano ity sy eto anatrehanao izahay (fa ny anaranao no amin'ity trano ity) ka hitaraina aminao amin'ny fahorianay, dia hihaino Hianao ka hamonjy. 10 Koa indreo ny taranak'i Amona sy Moaba ary ny avy any an-tendrombohitra, Seira, dia ilay tsy navelanao hotafihin'ny Isiraely, fony izy nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta, ka nivily fa tsy nandringana azy; 11 nefa indreo izy mamaly ratsy anay ka avy handroaka anay amin'ny lova nomenao anay. 12 Ry Andriamanitray ô, tsy hitsara azy va Hianao? Fa izahay dia tsy manan-kery hanohitra ireo olona betsaka ireo, izay avy hamely anay, koa tsy hitanay izay hataonay; fa Hianao no andrandrain'ny masonay. 13 Ary ny Joda rehetra mbamin'ny vadiny aman-janany koa dia samy nitsangana teo anatrehan'i Jehovah. 14 Ary Jahaziela, zanak'i Zakaria, zanak'i Benaia, zanak'i Jeiela, zanak'i Matania, Levita amin'ny taranak'i Asafa, dia voatsindrin'ny Fanahin'i Jehovah teo amin'ny fiangonana 15 ka nanao hoe: Mihainoa ianareo, ry Joda rehetra sy ry mponina any Jerosalema, ary ianao, ry Josafata mpanjaka: Izao no lazain'i Jehovah aminareo: Aza matahotra na mivadi-po ny amin'ireo olona betsaka ireo, fa tsy anareo ny ady, fa an'Andriamanitra. 16 Rahampitso dia midìna hiady aminy ianareo; fa, indreo, hiakatra amin'ny fiakarana Ziza izy; ary ianareo hahita azy eo amin'ny faran'ny lohasahan-driaka tandrifin'ny efitr'i Jeroela. 17 Tsy ianareo anefa no hiady amin'ity; mijanòna tsara, fa ho hitanareo ny hamonjen'i Jehovah anareo, ry Joda sy Jerosalema. Aza matahotra na mivadi-po, fa rahampitso dia mivoaha hiady aminy; fa Jehovah no momba anareo. 18 Dia niankohoka tamin'ny tany Josafata; ary ny Joda sy ny mponina rehetra tany Jerosalema niankohoka teo anatrehan'i Jehovah koa ka nivavaka. 19 Dia nitsangana ny Levita, taranaky ny Kehatita sy taranaky ny Koraita, mba hidera an'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, tamin'ny feo mahery indrindra. 20 Ary nifoha maraina koa izy, dia niainga nankany an-efitr'i Tekoa; ary nony nivoaka izy, dia nitsangana teo Josafata ka nanao hoe: Mihainoa ahy, ry Joda, sy ianareo, ry mponina eto Jerosalema: Minoa an'i Jehovah Andriamanitrareo, dia ho tafatoetra ianareo; minoa ny mpaminaniny, dia hambinina ianareo. 21 Ary rehefa niara-nihevitra tamin'ny olona izy, dia nanendry mpihira ho an'i Jehovah hidera amin'ny fihaingoana masina, raha mivoaka eo anoloan'ny olona efa voaomana hiady, ka hanao hoe: Miderà an'i Jehovah, fa mandrakizay ny famindram-pony. 22 Ary raha vao nanomboka nihoby sy nidera ireo, dia nasian'i Jehovah otrika hamely ny taranak'i Amona sy Moaba sy ny avy any an-tendrombohitra Seira, izay avy hamely ny Joda, ka dia resy ireo. 23 Dia nitsangana ny taranak'i Amona sy Moaba namely ny avy any an-tendrombohitra Seira ka namono sy nandringana azy; ary nony voaringany ny mponina tany Seira, dia nifandringana kosa izy samy izy ihany. 24 Ary nony tonga teo amin'ilay fitazanana any an-efitra ny Joda, dia nijery ireo olona betsaka ireo izy, koa, indreo, nisy faty niampatrampatra tamin'ny tany, fa tsy nisy afa-nandositra. 25 Ary avy hamabo azy Josafata sy ny vahoakany, dia nahita harena betsaka sy faty* ary fanaka sarobidy teo izy, ka dia namabo mihoatra noho izay zakany ho entina; ary hateloana no nanangonany ny babo, fa be dia be ireny. [Na: fitafiana] 26 Ary tamin'ny andro fahefatra dia nivory tao amin'ny lohasaha Beraka* izy, fa tany no nisaorany an'i Jehovah; koa izany no nanaovany izany tany izany hoe Lohasaha Beraka mandraka androany.[Beraka = Fisaorana] 27 Koa dia niverina ny lehilahy rehetra amin'ny Joda sy Jerosalema, ary Josafata nitarika azy hankany Jerosalema indray tamin'ny fifaliana, fa Jehovah nampifaly azy ny amin'ny fahavalony. 28 Ary tonga tany Jerosalema izy nitondra valiha sy lokanga ary trompetra ka nankao an-tranon'i Jehovah. 29 Ary ny fahatahorana an'Andriamanitra nahazo ny fanjakana rehetra manodidina, nony efa reny fa Jehovah no niady tamin'ny fahavalon'ny Isiraely. 30 Ary nandry fahizay ny fanjakan'i Josafata; fa nomen'Andriamaniny fiadanana tamin'ny manodidina izy. 31 [Filazana fohifohy ny amin'ny nanjakan'i Josafata] Ary Josafata nanjaka tamin'ny Joda; dimy amby telo-polo taona izy, fony vao nanjaka, ary dimy amby roa-polo taona no nanjakany tany Jerosalema, Ary ny anaran-dreniny dia Azoba, zanakavavin'i Sily. 32 Ary nandeha tamin'ny lalana nalehan'i Asa rainy izy ka tsy niala tamin'izany, fa nanao izay mahitsy eo imason'i Jehovah. 33 Kanefa ny fitoerana avo tsy mba noravana; fa ny olona tsy mbola nampiomana ny fony hitady an'Andriamanitry ny razany. 34 Ary ny tantaran'i Josafata sisa, na ny voalohany na ny farany, indro, efa voasoratra ao amin'ny tenin'i Jeho, zanak'i Hanany, izay nakambana ao amin'ny bokin'ny mpanjakan'ny Isiraely, izany. 35 Nefa nony afaka izany, Josafata, mpanjakan'ny Joda, nikambana tamin'i Ahazia, mpanjakan'ny Isiraely, izay nanao ratsy; 36 ary nikambana taminy hanao sambo hankany Tarsisy izy, ka tao Ezion-gebera no nanaovany azy. 37 Ary Eliezera, zanak'i Dodavaho, avy any Maresa, naminany ny amin'i Josafata hoe: Noho ny nikambananao tamin'i Ahazia dia horavan'i Jehovah ny asanao. Ary nahavakiana ny sambo ka tsy nahazo nankany Tarsisy. 1 Toy izany no nahavitana ny asa rehetra nataon'i Solomona ho amin'ny tranon'i Jehovah; ary nampidirin'i Solomona ny zavatra rehetra izay efa nohamasinin'i Davida rainy dia ny volafotsy sy ny volamena; ary ny fanaka rehetra dia nataony tao amin'ny rakitry ny tranon'Andriamanitra. 2 [Ny nitokanana ny tempoly] Ary tamin'izany dia novorin'i Solomona ny loholon'ny Isiraely sy ny lehiben'ny firenena rehetra, dia ny lohan'ny fianakavian'ny Zanak'isiraely ho any Jerosalema hampakatra ny fiaran'ny faneken'i Jehovah avy any Ziona, Tanànan'i Davida. 3 Dia nivory ho any amin'ny mpanjaka ny lehilahy rehetra amin'ny Isiraely tamin'ny andro firavoravoana tamin'ny volana fahafito. 4 Ary tonga koa ny loholon'ny Isiraely rehetra, ka ny Levita no nitondra ny fiara, 5 dia nampakariny ny fiara sy ny trano-lay fihaonana ary ny fanaka masina rehetra izay tao amin'ny lay. Nampakarin'ny Levita mpisorona ireo zavatra ireo. 6 Ary Solomona mpanjaka sy ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, izay nivory teo aminy teo anoloan'ny fiara, dia samy namono zavatra hatao fanatitra, dia ondry aman'osy sy omby izay tsy tambo isaina sady tsy hita isa noho ny hamaroany. 7 Ary ny fiaran'ny faneken'i Jehovah dia nampidirin'ny mpisorona ho ao amin'ny fitoerany tao anatin'ny efi-trano anatiny, dia ny fitoerana masina indrindra, teo ambanin'ny elatry ny kerobima; 8 fa nivelatra tambonin'ny fitoeran'ny fiara ny elatry ny kerobima ka nanaloka ny fiara sy ny baony. 9 Ary lava ny bao, ka hita ny lohany, raha eo amin'ny fiara eo anoloan'ny efitra matiny nefa tsy hita eny ivelany, ary mbola ao mandraka androany izy.

Ahoana ny fomba hiatrehana zava-tsarotra?

Manoloana ny olana mbamin’ny ady sarotra sy manahirana toy izay nahazo an’i Josafata isika dia izao no atao:

1- Andriamanitra no tadiavo.

Tonga tao amin’ny faritra atsimon’ny Joda ny Moabita sy ny Amonita mba hiady aminy. Nisy tonga nanambara tamin’i Josafata fa olona marobe no tonga hanafika azy sy ny fanjakany (and.2). Natahotra mafy izy, saingy tsy nanaiky ho resy avy hatrany. Ny fitadiavana an’Andriamanitra no vahaolana hitany, ka dia navoriny ny vahoaka rehetra mba hiara-mivavaka sy hifady hanina; hitalaho famonjena avy amin’Andriamanitra. Izy mihitsy no nitarika ny vavaka tao an-tranon’i Jehovah teo anatrehan’ny vahoakan’ny Joda rehetra (and.5…). Toe-panahy mendrika halain-tahaka ho an’ny raiamandreny sy ny mpitondra mbamin’ny mpitarika rehetra izany rehefa misy zava-manahirana.

2- Matokia Azy!

Ny tonom-bavaka nasandratr’i Josafata dia mampiseho fa olona matoky an’Andriamanitra Izy. Fantany fa tsy manan-kery hoenti- manohitra ny fahavalony izy, raha tsy co ny fanampian’ Andriamanitra. Azony antoka kosa fa manam-pahefana amin’ny olona rehetra sy amin’ny toe-javatra rehetra mitranga Andriamanitra (and.6); mitazona ny fanekena nataony tamin’ny olony Izy ka tsy mivadika amin’izany hatramin’ny taranaka fara- mandimby (and.7); mihaino vavaka Izy ka mamonjy sy manafaka (and.9). Tsy miova ireo toetr’Andriamanitra ireo mandrak’ankehitriny sy ho mandrakizay, araka ny Tenin’i Jesoa hoe: Indro Izaho momba anareo ambara-pahatongan’ny fahataperan ‘izao tontolo izao (Mat 28.20). Koa matokia Azy!

Fanontaniana:

Nahoana no be fanahiana isika, na dia efa miyavaka aza?

Sampana Sekoly Alahady Foibe