Ahoana ny fomba hananana fanetren-tena ?
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 16 Oktobra 2021
Lioka 14. 7-11
Lioka 14. 7-11
7 Ary Jesosy nanao fanoharana tamin'izay nasaina, raha nahita azy mifidy ny fitoerana aloha, ka nanao taminy hoe: 8 Raha misy maka anao ho any amin'ny fampakaram-bady, aza mipetraka eo amin'ny fitoerana aloha, fandrao hisy olona nalaina izay mihaja kokoa noho ianao, 9 ary ho avy izay nanasa anao sy izy ka hilaza aminao hoe: Omeo toerana io olona io: dia ho menatra ianao ka hifindra ho any amin'ny fitoerana aoriana indrindra. 10 Fa raha misy manasa anao, mandehana ka mipetraha eo amin'ny fitoerana aoriana indrindra, ary rehefa tonga ilay nanasa anao, dia mahazo manao aminao hoe: Ry sakaiza, mandrosoa etsy alohaloha kokoa; dia hahazo haja eo imason'izay rehetra miara-mipetraka mihinana aminao ianao. 11 Fa izay rehetra manandra-tena no haetry; ary izay manetry tena no hasandratra.Ahoana ny fomba hananana fanetren-tena ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM