Mba ahoana ny fiheverenao sy ny fandraisanao izany hoe : nofidian’i Jesoa ka manaraka Azy izany?
Mofonaina anio: Talata, faha 04 Jolay 2023
Jaona 6. 60-71
Jaona 6. 60-71
60 Koa maro tamin'ny mpianany, nony nandre, dia nanao hoe: Sarotra izany teny izany, iza no mahahaino izany? 61 Ary fantatr'i Jesosy tao am-pony fa nimonomonona tamin'izany ny mpianany, ka dia hoy Izy taminy: Mahatafintohina anareo va izay? 62 Mainka raha mahita ny Zanak'olona miakatra ho any amin'izay nitoerany taloha ianareo. 63 Ny fanahy no mahavelona; ny nofo tsy mahasoa na inona na inona; ny teny izay nolazaiko taminareo dia fanahy sy fiainana. 64 Fa misy ny sasany aminareo izay tsy mino. Fa fantatr'i Jesosy hatramin'ny voalohany izay tsy nino sy izay hamadika Azy. 65 Ary hoy Izy: Izany no nilazako taminareo fa tsy misy olona mahay manatona Ahy, raha tsy nomen'ny Ray azy izany. 66 Hatramin'izany* dia maro tamin'ny mpianany no nihemotra ka tsy niara-nandeha taminy intsony. [*Na: Noho izany] 67 Dia hoy Jesosy tamin'ny roa ambin'ny folo lahy: Hianareo koa va mba te-hiala? 68 Simona Petera namaly Azy hoe: Tompo ô, hankany amin'iza moa izahay? Hianao no manana ny tenin'ny fiainana mandrakizay. 69 Ary izahay mino ka mahalala fa Hianao no Ilay Masin'Andriamanitra. 70 Jesosy namaly azy hoe: Tsy Izaho va no nifidy anareo roa ambin'ny folo lahy, nefa ny anankiray aminareo aza dia devoly? 71 Fa Izy nilaza an'i Jodasy, zanak'i Simona Iskariota; fa izy no ilay efa hamadika Azy, nefa isan'ny roa ambin'ny folo lahy.Fanontaniana:
Mba ahoana ny fiheverenao sy ny fandraisanao izany hoe : nofidian’i Jesoa ka manaraka Azy izany?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM