Ahoana ny fandraisanao , Ilay Mpanjaka nanetry tena , nanafoana ny tenany nefa hitondra fanavotana ho anao na ho anao ?
Mofonaina anio: Alahady, faha 28 Martsa 2021
ZAKARIA 9.9-11
ZAKARIA 9.9-11
9 Mifalia indrindra, ry Ziona zanakavavy; Manaova feo fifaliana, ry Jerosalema zanakavavy; Indro, ny Mpanjakanao avy ho anao*; Marina Izy sady manam-pamonjena**, Malemy fanahy sady mitaingina boriky Dia zana-boriky tanora. [*na: ho at? aminao][**heb. voavonjy] 10 Ary hofoanako tsy hisy kalesy intsony Efraima, Na soavaly any Jerosalema, Hofoanana koa ny tsipìka fiadiana, Ary hiteny fiadanana amin'ny jentilisa Izy; Ny fanapahany dia hatramin'ny ranomasina ka hatramin'ny ranomasina Ary hatramin'ny Ony* ka hatramin'ny faran'ny tany. [Eofrata] 11 Ny aminao koa, noho ny ran'ny fanekena taminao No efa namoahako ny mpifatotrao avy tao an-davaka tsy misy rano.Ahoana ny fandraisanao , Ilay Mpanjaka nanetry tena , nanafoana ny tenany nefa hitondra fanavotana ho anao na ho anao ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM