Ahoana ny fahazoanao izany hoe  » mialoka amin’Andriamanitra  » mbola azo atao ve izany?

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 25 Martsa 2021
Salamo 11,1 - 7
1 [Ny avalin'ny mahery finoana izay sakaizany saro-tahotra] Ho an'ny mpiventy hira. Nataon'i Davida. Jehovah no ialofako; ahoana no anaovanareo amin'ny fanahiko hoe: mandosira ho any an-tendrombohitrareo toy ny voron-kely*? [Na: ry voronkely] 2 Fa, indro, ny ratsy fanahy manenjana ny tsipìkany; efa nanamboatra ny zana-tsipìkany eo amin'ny kofehy izy, nikendry tao amin'ny maizina hitifitra ny mahitsy fo. 3 Fa rava ny fanorenana*, ka inona indray no azon'ny marina atao?[Na: voazera ny andry] 4 Jehovah dia ao amin'ny tempoliny masina, ny seza fiandrianan'i Jehovah dia any an-danitra; ny masony mijery, eny, ny hodi-masony mizaha toetra ny zanak'olombelona. 5 Jehovah mizaha toetra ny marina; fa ny ratsy fanahy sy ny mifaly hampidi-doza dia samy halan'ny fanahiny. 6 Handatsaka fandrika amin'ny ratsy fanahy Izy tahaka ny fandatsaka ranonorana; afo sy solifara ary rivo-mahamay no ho anjara kapoakany. 7 Fa marina Jehovah, ka fahamarinana no tiany; ny mahitsy no hahita ny tavany*.[Na: Ny mahitsy no hitan'ny tavany]

Ity salamo ity dia milaza ny « sisa » nefa mbola ampahoriana hatrany satria ny ratsy fanahy no mitazona ny fahefana ary manozongozona ny fitondrana rehetra misy na fanjakana na fivavahana. Manoloana izany dia hoy ny mpino hoe:

1- NY TOMPO ANDRIAMANITRA NO FIALOFANA:

Enjehina ny mpino, atao tahaka ny vorona hazain’ny mpihaza ary asaina mitsoaka any an-tendrombohitra hanaovana izany fanenjehana izany.        Ny mpanao salamo anefa dia sahy mijoro ka miteny hoe nahoana no mitsoaka ny olona matoky an’Andriamanitra? Ny mpino dia mijery ambony noho ny tendrombohitra, izany hoe an’ Andriamanitra ka matoky Azy  tanteraka ary mametraka ny adiny Aminy ka mino fa manana hery afaka hanampy azy ny Tompony, noho izany dia tsy hatahotra na inona na inona  mihitsy izy. Ny toe-javatra niainan’i Davida mpanjaka dia maneho izany toe-javatra voalaza izany ho azo tanterahina tokoa manoloana ny ady atrehiny.

2- ANDRIAMANITRA MARINA DIA MITSARA NY OLONA :

Ambara hoe mizaha toetra ny olona ny Tompo na iza izy na iza. Izay tiana holazaina amin’ilay hoe Andriamanitra mizaha toetra dia Andriamanitra mamantatra izay zava-misy ao am-pon’ny olona na tsara izany na ratsy ary valiany araka izay zava-misy ao aminy izany ny olona, ny manao ny tsara dia hiaina araka izany miaraka Aminy fa ny ratsy kosa ho halan’ny fanahiny , afo sy solifara  ary rivo-mahamay no anjara kapoakany, izany hoe hahazo azy ny famotehana sy fandravana noho ny ratsy nataony. Ny finoana kristiana dia tokony handresy ny zava-dratsy rehetra mba ho mendrika an’Andriamanitra tokoa ka hahatanteraka ny Tenin’ny Tompo hoe   » tsy misy mahay mandrombaka izay eo amin’ny tànan’ny Ray« 

FANONTANIANA:

Ahoana ny fahazoanao izany hoe  » mialoka amin’Andriamanitra  » mbola azo atao ve izany?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM