Ahoana no ilazana hoe : mahasoa ny olona ny Tenin’Andriamanitra ka liana hotandremana ?
Mofonaina anio: Zoma, faha 07 Aogositra 2020
Apokalypsy 3,7 - 13
7 [Filadelfia] Ary soraty ho amin'ny anjelin'ny fiangonana* any Filadelfia: Izao no lazain'izay masina, Izay marina, Izay manana ny fanalahidin'i Davida, Izay mamoha ka tsy hisy hanidy, ary manidy ka tsy misy mamoha: [* Gr. eklesia] 8 Fantatro ny asanao (indro, efa nasiako varavarana mivoha eo anatrehanao, ka tsy misy maharindrina azy), fa manana hery kely ihany ianao ka nitandrina* ny teniko ary tsy mba nandà ny anarako. [* Na: fa na dia kely aza ny herinao, dia efa nitandrina, etc] 9 Indro, alaiko ny sasany amin'ny synagogan'i Satana, izay milaza ny tenany ho Jiosy, kanjo tsy izy, fa mandainga, indro, hataoko tonga hiankohoka eo anoloan'ny tongotrao ireo, ka ho fantany fa Izaho efa tia anao. 10 Satria efa nitandrina ny teniko ny amin'ny faharetana ianao, Izaho kosa hiaro anao ho voavonjy amin'ny andro fakam-panahy izay efa hihatra amin'izao tontolo izao ho fizahan-toetra izay monina ambonin'ny tany. 11 Ho avy faingana Aho; tano mafy izay anananao, mba tsy hisy haka ny satro-boninahitrao. 12 Izay maharesy no hataoko andry eo amin'ny tempolin'Andriamanitro, ary tsy hiala eo intsony izy; ary hosoratako eo aminy ny anaran'Andriamanitro sy ny anaran'ny tanànan'Andriamanitro, dia Jerosalema vaovao, izay midina avy any an-danitra avy amin'Andriamanitro, ary ilay anarako vaovao. 13 Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain'ny Fanahy amin'ny fiangonana*. [* Gr. eklesia]1-Mahatsara ny fitandremana ny Tenin’Andriamanitra
Noheverina ho zava-dehibe ny maha- Jiosy , satria maha- olon’Andriamanitra izany , olona feno tahotra Azy sy ny teniny . Ny mifanohitra amin’izany anefa no zava-misy voalaza eto satria tsy Jiosy araka ny voalaza no misy , tsy miraharaha an’ Andriamanitra sy ny Teniny akory izy ireo ka mivavabavaka fotsiny (Synagogan’i satana , and 9) ary tsy vitan’izany fa manenjika sy manaratsy ireo izay miezaka mivavaka marina koa . Izany no sehatra niainan’ny Fiangonana tamin’izany fotoana izany . Tena ilaina tandremana anefa ny Tenin’Andriamanitra fa mahasoa izany (Lio 11.28) .
2-Azo tandremana ny Tenin’Andriamanitra
Nahatandrina ny Tenin’nyTompo ny Fiangonana tao Filadelfia na dia voalaza hoe : kely hery aza . Izao no tiana ambara amin’izany : nataon’ilay ratsy avokoa izay hanembatsembana ny finoan’ny kristiana ka hahatonga azy ireo tsy hiraharaha sy hanao tsinotsinona an’Andriamanitra sy ny Teniny , kanefa nijoro tamin’izay kely nananany ny Filadelfia ka nankato an’Andriamanitra sy ny teniny . Zava-dehibe eo imason’Andriamanitra izany satria izao no lazainy hoe : “Fantatro ny asanao” . Noho izany dia nampahery azy ireo ny Tompo . Izany no mampiavaka ity taratasy ity : tsy mba maneho teny filazana fanasaziana , fa teny fampaherezana kosa noho ny fijoroan’ny Fiangonana tamin’izay kely nananany . Eo anatrehan’izany dia hiaro azy ny Tompo manoloana ny zavatra atrehany rehetra (and10) , ary mampahery azy hatrany mba hitazomany ny zava-tsoa nananany (and11) .
Fanontaniana :
Ahoana no ilazana hoe : mahasoa ny olona ny Tenin’Andriamanitra ka liana hotandremana ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM