Ahoana no iainana izay voalaza ao amin’ny ankohonanao?
Mofonaina anio: Alahady, faha 22 Oktobra 2023
KOLOSIANA 3.18-25
KOLOSIANA 3.18-25
18 Hianareo vehivavy, maneke ny vadinareo araka izay mety hatao ao amin'ny Tompo. 19 Hianareo lehilahy, tiava ny vadinareo. ary aza sosotra* aminy. [* Gr. mangidy] 20 Hianareo zanaka, maneke ny ray aman-dreninareo amin'ny zavatra rehetra; fa ankasitrahana ao amin'ny Tompo izany. 21 Hianareo ray, aza mampahasosotra ny zanakareo, fandrao mamoy fo izy. 22 Hianareo mpanompo, maneke ny tomponareo araka ny nofo amin'ny zavatra rehetra, tsy amin'ny fanompoana eo imaso, tahaka ny mpila sitraka amin'olona, fa amin'ny fahatsoram-po, matahotra ny Tompo; 23 ary na inona na inona no ataonareo, dia ataovy amin'ny fo, tahaka ny ho an'ny Tompo, fa tsy ho an'olona, 24 satria fantatrareo fa ny Tompo no handraisanareo ny lova ho valiny; fa manompo an'i Kristy Tompo ianareo. 25 Fa izay manao ny tsy marina dia handray araka ny tsy marina nataony; fa tsy misy fizahan-tavan'olona,Rehefa taomin’i Paoly hampitoetra betsaka ny Tenin’i Kristy ao aminy ny kristiana dia toroany hevitra kosa indray ny amin’izay andrasana amin’ny tsirairay ao anatin’ny ankohonana mba hananana fiainam-pianakaviana mirindra .
1-Lehilahy sy vehivavy (mpivady) mifankatia (and20)
Ny vehivavy dia asaina manaiky ny vadiny araka izay mety atao ao amin’ny Tompo, izany hoe: manome fahafaham-po ny vadiny amin’ny lafiny rehetra ,hahazoana mikolo ny fitiavana ,ary tena tokony hifampiresahan’ny mpivady soamatsara izany . Ny lehilahy kosa dia asaina « mitia » ny vadiny ,manome ny manontolo amin’ny fitiavana ,na amin’ny teny izany na amin’ny alalan’ny fihetsika ary tsy safidy izany fa tena adidy mihitsy . Ireo zava-droa loha ireo anefa dia ao amin’ny Tompo ihany no hahazoana manatanteraka azy .
2-Zanaka sy Ray amandreny mifanaja (and21)
Miharatsy ankehitriny ny fifandraisana eo amin’ny zanaka sy ray aman-dreny , hany ka tsy misy intsony ny fifanajana sy ny fifampitsinjovana , fa eto kosa dia tarihan’iPaoly ny zanaka ho feno fankatoavana ,tsy hanao zinona ny ray aman-dreny ,ary mirazotra amin’izany koa ,ny ray amandreny tsy hanao izay hampitondra alahelo ny zanany . Ho zanaka manoa tahaka an’iJesoa ary Ray be fitiavana tahaka an’Andriamanitra .
3-Mpiasa sy mpampiasa (and22)
Ny fifandraisana no tena tsipihan’iPaoly eto koa ny mpiasa dia taomina hankato ny mampiasa azy amin’ny fandaminana sy ny fifampitondrana samihafa eo amin’izany sehatra izany , ary ny mpampiasa kosa tsy hanao tsindry hazo lena na didiko fe lehibe fa hifampihaino kosa , ary hifanitsy am-pitiavana raha ilaina izany .
Fanontaniana:
Ahoana no iainana izay voalaza ao amin’ny ankohonanao?
Sampana SekolyAlahady FOIBE FJKM