Ahoana no ahazoano antoka fa hefain’Andriamanitra tokoa izay lazainy ?
Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 28 Febroary 2022
Lioka 1. 34 - 38
Lioka 1. 34 - 38
34 Ary hoy Maria tamin'ilay anjely: Hanao ahoana re no hahatanteraka izany, fa tsy mahalala lahy aho? 35 Ary ilay anjely namaly ka nanao taminy hoe: Ny Fanahy Masina ho tonga ao aminao, ary hisy herin'ny Avo Indrindra hanaloka anao; koa ny Masina Izay hateraka* dia hatao hoe Zanak'Andriamanitra.[*Na: haterakao] 36 Ary, indro, Elizabeta havanao dia efa mitoe-jaza koa, na dia efa antitra aza; ary efa mandray enina izy izao, izay natao hoe momba. 37 Fa tsy hisy tsy ho tanteraka ny teny rehetra ataon'Andriamanitra. 38 Dia hoy Maria: Inty ny ankizivavin'ny Tompo; aoka anie ho tonga amiko araka ny teninao. Dia nandao azy ilay anjely.2- Ekeo am-panetren-tena ny Teniny (and 38)
Nanaiky i Maria ho fitaovana hanatanterahana ny famonjena, tsy ho azy sy ny fireneny ihany fa ho an’izao tontolo izao mihitsy. « Inty aho akizivavin’ny Tompo, aoka anie ho tonga amiko araka ny teninao » hoy izy. Tsy mora akory ny toerana nisy an’i Maria, tovovavy tsy manam-bady, efa mitoe-jaza sahady, tsy mendrika izany teo amin’ny fiaraha-monina Jiosy, fa nohon’ny Tenin’Andriamanitra dia tsy nampaninona azy izany, ary raha zohina ny tantara dia nasehon’Andriamanitra mandrakariva taminy ny fombàny azy. Ianao koa minoa sy maneke ny Tenin’ny Tompo fa tanterahiny izany sady momba anao Izy (Matio 28. 20).
Fanontaniana :
Ahoana no ahazoano antoka fa hefain’Andriamanitra tokoa izay lazainy ?
SAMPANA SEKOLY ALAHADY FOIBE FJKM