Afafy tena araka ny fomban’aina Izy atsangana ho tena araka ny fombam-panahy

Mofonaina anio: Talata, faha 25 Aprily 2023
1 KORINTIANA 15.42-49
42 Dia toy izany koa ny fitsanganan'ny maty: Afafy amin'ny fahalòvana izy, atsangana amin'ny tsi-fahalòvana; 43 afafy amin'ny fahafaham-boninahitra izy, atsangana amin'ny voninahitra; afafy amin'ny fahalemena izy, atsangana amin'ny hery; 44 afafy tena araka ny fomban'aina izy, atsangana ho tena araka ny fombam-panahy. Raha misy tena araka ny fomban'aina, dia misy araka ny fombam-panahy koa. 45 Ary araka izany koa no voasoratra hoe: Adama voalohan-dahy natao manan'aina (Gen. 2. 7); Adama farany natao fanahy mahavelona. 46 Anefa tsy izay amin'ny fanahy no voalohany, fa izay amin'ny manan'aina, dia vao izay amin'ny fanahy. 47 Ny olona voalohany avy amin'ny tany, dia tany; ny olona faharoa dia avy any an-danitra. 48 Izay amin'ny tany dia tahaka ilay amin'ny tany; ary izay any an-danitra dia tahaka Ilay any an-danitra. 49 Ary toy ny nitondrantsika ny endriky ny amin'ny tany no hitondrantsika ny endrik'ilay any an-danitra koa.

Afafy tena araka ny fomban’aina izy ,

atsangana ho tena araka ny fombam-panahy

Ny Grika izay mandà ny fitsanganan’ny tena amin’ny maty dia mihevitra fa ny vatana dia zavatra misakana ny fanahy ka tsy mety raha misy vata-tena any an-danitra ,fa fanahy ihany no hita any . Ny Jiosy kosa dia mihevitra fa izao vatana ananana izao ihany no hitsangana indray fa tsy misy fiovana.Manazava ny momba ny fitsanganan’ny tena amin’ny maty kosa i Paoly araka zao : afafy araka ny fomban’aina ety an-tany ny vatan’olombelona , izany hoe : amboarina hifanaraka amin’ny zavatry ny tany ,hiaina araka ny fomban’ny tany . Amn’izay lafiny izay dia tena misy hitoviana amin’ny zava-mananaina rehetra ety an-tany mihitsy ny olombelona ,toy ny biby ohatra ,ka tsy mahagaga mihitsy raha misy mahavita zavatra tahaka ny ataon’ny biby .Maty araka ny fomban’aina ety an-tany no tsy maintsy hiafaran’izany tena araka ny fomban’aina izany ary tsy misy afaka amin’izany akory na iza na iza . Soa ihany fa misy ny fitsanganan’ny tena amin’ny maty araka ny hilazan’i Paoly azy hoe : vatana atsangana ho tena araka ny fombam-panahy .Tsy noheverin’Andriamanitra ho toy ny biby ny olona sanatria ary tsy najanony tamin’ny fomban’ny ety an-tany ihany , fa nomeny ny tena araka ny fombam-panahy tamin’ny alalan’ny fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty , ka afaka misitraka izany koa izay rehetra ao aminy . Araka izany , na dia mety maty aza ny tena ao amin’ny nofo , nafafy araka ny nofo dia fiainana mandrakizay kosa no omen’ny Tompo izay mino Azy ao amin’i Jesoa Kristy .

Fanontaniana :

Nafafy tety an-tany ho tena araka ny fomban’aina ny olombelona ,moa mety misitraka ny tena araka ny fombam-panahy kosa ve ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM