Andriamanitra mifidy ny vahoakany
Mofonaina anio: Talata, faha 01 Jolay 2025
(Sal121.1-8/Hira16 1, 2/Vavaka/Mofonaina/Vavaka/HF14)
Isaia 41,8 - 13
8 Fa ianao kosa, ry Isiraely mpanompoko, sy Jakoba, izay nofidiko, Taranak'i Abrahama sakaizako, 9 Hianao izay efa notantanako avy tany amin'ny faran'ny tany ary nantsoiko avy tany an-tsisiny ka nilazako hoe: Mpanompoko ianao, Efa nofidiko ka tsy mba nariako: 10 Aza matahotra ianao, fa momba anao Aho; Ary aza miherikerika foana, fa Izaho no Andriamanitrao; Mampahery anao Aho sady mamonjy anao; Eny, mitantana anao amin'ny tanana ankavanan'ny fahamarinako Aho. 11 Indro, ho menatra sy hangaihay izay rehetra tezitra aminao, ho tsinontsinona izy; Eny, ho levona izay miady aminao. 12 Hotadiavinao izay mifanditra aminao, fa tsy ho hitanao, ary ho tahaka ny tsinontsinona sy ny zava-poana izay miady aminao. 13 Fa Izaho Jehovah Andriamanitrao no mitantana ny tananao ankavanana, dia ilay manao aminao hoe: Aza matahotra, Izaho no hamonjy anao.Andriamanitra mifidy ny vahoakany
1- Manome toky azy
«Aza matahotra ianao, fa momba anao Aho; ary aza miherikerika foana, fa Izaho no Andriamanitrao. » (And. 10)
Tany am-pahababoana ny Jiosy, nihevitra izy ireo fa tsy mahita azy ireo Andriamanitra any amin’ny tanin’ny Jentilisa. Any Jerosalema ihany mantsy no noheverin’izy ireo fa misy an’Andriamanitra. Tsarovy mandrakariva anefa, Andriamanitra manerana izao rehetra izao ny Andriamanitry ny Baiboly. Ka na aiza na aiza no misy ny olona nofidiany, dia any Izy: ary mahita ny manjo ny olom-boafidiny. Tsy mamela ny vahokany ho irery Izy. Ary izany no nanomezany an’i Jesoa Kristy sy ny Fanahy Masina ho mariky ny fanatrehany sy fombany ny olona/vahoaka nantsoiny sy nofidiany.
2- Mitondra azy amin’ny heriny
«… Eny, mitantana anao amin’ny tanana ankavanan’ny fahamarinako Aho. » (And. 10)
Andriamanitra no mitantana ny vahoakany amin’ny tanany ankavanana. Midika izany fa amin’ny heriny sy ny fahamarinany no itondran’Andriamanitra ny vahoakany. Ka na dia nihevitra aza ny Jiosy fa mahery ny andriamanitry ny Babyloniana, manome toky kosa Izy fa amin’ny heriny sy fahamarinany no itondrany ny vahoakany. Amin’ny heriny sy ny fahamarinany no itondran’ Andriamanitra ny fiainan’ny vahoaka voafidiny. Andriamanitra Mahery ny Andriamanitry ny Baiboly. Jesoa Kristy no herin’ Andriamanitra. Amin’ny herin’i Kristy no itantanan’ Andriamanitra ny vahoakany.
Fanontaniana:
Ahoana no iainanao ny herin’ Andriamanitra niantso anao?
Sampana Sekoly Alahady Foibe