1-Teny mampihorohoro :
Mofonaina anio: Alahady, faha 17 Novambra 2019
Fandalinana ny Boky JEREMIA
Jeremia 36.16-32
16 Ary rehefa reny ny teny rehetra, dia nifampijerijery tamin-tahotra izy, ka hoy izy tamin'i Baroka: Tsy maintsy holazainay amin'ny mpanjaka izany teny rehetra izany. 17 Ary Baroka dia nadininy hoe: Lazao aminay ny nanoratanao izao teny rehetra izao avy tamin'ny vavany. 18 Dia hoy Baroka taminy: Ny vavany no nanonona izany teny rehetra izany tamiko, ka dia nosoratako an-taratasy tamin'ny ranomainty. 19 Dia hoy ny mpanapaka tamin'i Baroka: Mandehana, ka miere ianao sy Jeremia, ary aoka tsy hisy olona hahita izay itoeranareo. 20 Dia niditra tao amin'ny mpanjaka tao amin'ny kianja izy ireo (nefa ny horonan-taratasy efa napetrany tao amin'ny efi-tranon'i Elisama mpanoratra), ary nambarany teo anatrehan'ny mpanjaka ny teny rehetra. 21 Ary nirahin'ny mpanjaka Jehody haka ilay horonan-taratasy, dia nalainy tao amin'ny efi-tranon'i Elisama mpanoratra iny. Ary dia novakin'i Jehody teo anatrehan'ny mpanjaka sy ny mpanapaka rehetra izay nitsangana teo anatrehan'ny mpanjaka izany. 22 Ary ny mpanjaka nipetraka tao an-trano ririnina tamin'ny volana fahasivy, sady nisy afo nirehitra teo am-patana teo anoloany. 23 Ary nony efa namaky toko telo na efatra Jehody, dia notapatapahin'ny mpanjaka tamin'ny antsipika ny horonan-taratasy ka natsipitsipiny teo anaty afo teo am-patana, mandra-pahalevon'ny afo azy rehetra teo am-patana. 24 Nefa ny natahotra akory ireo na nandriatra ny fitafiany, na ny mpanjaka, na ny mpanompony rehetra, izay efa nandre izany teny rehetra izany. 25 Ary na dia efa nifona tamin'ny mpanjaka aza Elnatana sy Delaia ary Gemaria, mba tsy handoro ny horonan-taratasy, dia tsy nety nihaino azy izy. 26 Ary ny mpanjaka nandidy an'i Jeremeia, zanak'andriana, sy Seraia, zanak'i Azriela, ary Selemia, zanak'i Abdela, hisambotra an'i Baroka mpanoratra sy Jeremia mpaminany; fa nafenin'i Jehovah izy roa lahy. 27 Dia tonga tamin'i Jeremia ny tenin'i Jehovah, taorian'ny nandoroan'ny mpanjaka ny horonan-taratasy sy ny teny izay nosoratan'i Baroka avy tamin'ny vavan'i Jeremia, nanao hoe: 28 Makà horonan-taratasy hafa koa indray ianao, ka soraty aminy ilay teny rehetra tamin'ny horonan-taratasy teo, dia ilay nodoran'i Joiakima, mpanjakan'ny Joda. 29 Ary ny amin'i Joiakima, mpanjakan'ny Joda, dia holazainao hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Hianao efa nandoro iny horonan-taratasy iny ka nanao hoe: Ahoana no nanoratanao tamin'iny hoe: Ho avy tokoa ny mpanjakan'i Babylona ka handrava ity tany ity sy hahalany ritra ny olona mbamin'ny biby eto? 30 Koa izao no lazain'i Jehovah ny amin'i Joiakima, mpanjakan'ny Joda: Tsy hanana fara handimby eo amin'ny seza fiandrianan'i Davida izy; ary ny fatiny dia hariana ka hasian'ny hainandro amin'ny antoandro ary ny fanala amin'ny alina. 31 Ary hampijaliko izy mbamin'ny taranany sy ny mpanompony noho ny helony; ary havoko mihatra aminy sy amin'ny mponina any Jerosalema ary amin'ny lehilahy amin'ny Joda ny loza rehetra izay nolazaiko hatao aminy, fa tsy nohenoiny. 32 Ary Jeremia dia naka horonan-taratasy hafa koa, ka natolony an'i Baroka mpanoratra, zanak'i Neria, ary izy nanoratra tao avy tamin'ny vavan'i Jeremia ny teny rehetra izay tao amin'ilay horonan-taratasy nodoran'i Joiakima, mpanjakan'ny Joda, tamin'ny afo; sady nampiany teny maro tahaka ireny koa aza.1-Teny mampihorohoro :
Rehefa avy
nihaino izay voasoratr’i Baroka ireo tandapa ireo tandapa dia nifampijerijery
izy ireo. Tsapany ny loza mitatao izay
hihatra amin’ny tanàna sy ny mponina . Mety mampihorohoro tokoa ny filazana ny
fiafaran’izao tontolo izao , fa ho an’ny mino dia fiandrasana famonjena
mahasambatra izany.
2-Teny fanivaivana :
Fihetsika
feno fahasahiana sy fihantsiana an’ Andriamanitra no nataon’i Joiakima
.Norovitiny ny boky ary natsipiny tao
anaty afo. I Josia kosa tamin’ny fotoana namakiana ny boky hita tao amin’ny tempoly dia nandriatra
ny fitafiany ho mariky ny fibebahana (2
Mpa 22.10-13) . A za manamafy ny fo raha mananatra anao ny teny .
3-Teny hitondra fitsarana
mahatsiravina
Faharavan’ny
tanàna ,tsy fananana fara
mandimby intsony eo amin’ny seza
fiandrianana , fampijaliana azy sy ny taranany . Izany no ho valin’ny fandoroana ny horonan-taratasy
. Mampitandrina i Jesoa hoe : « izay
mandà Ahy ka tsy mandray ny teniko , dia manana izay mitsara azy ny teny izay
nolazaiko . Izany ihany no hitsara azy amin’ny andro farany » (Jao
12.48).
« Raiso ny Tenin ‘
Andriamanitra »
Boky faha-6