1. Ny manao kely tsy mba mamindro (and 10)

Mofonaina anio: Zoma, faha 16 Febroary 2024

Matio 18. 10-14

Matio 18. 10-14
10 Mitandrema, fandrao manao tsinontsinona na dia ny iray aza amin'ireny madinika ireny ianareo; fa lazaiko aminareo: Ny anjeliny any an-danitra mahita mandrakariva ny tavan'ny Raiko Izay any an-danitra*.[*Ampio hoe:] 11 (Fa tonga ny Zanak'olona hamonjy ny very.) 12 Ahoana no hevitrareo? Raha misy olona manana ondry zato, ka mania ny anankiray moa tsy hamela ny sivy amby sivi-folo eny an-tendrombohitra va izy ka handeha hitady ilay nania? 13 Ary raha tàhiny hitany izy, dia lazaiko aminareo marina tokoa fa mahafaly azy iny noho ny sivy amby sivifolo izay tsy nania. 14 Ary tahaka izany, dia tsy sitraky ny Rainareo Izay any an-danitra, raha ho very na dia iray aza amin'ireny madinika ireny.

1. Ny manao kely tsy mba mamindro (and 10)

« Mitandrema fandrao manao tsinontsinona na dia iray aza amin’ireny madinika ireny ianareo… » hoy ny Tompo eto. Abaribarin’i Jesoa mihitsy eto fa tsy ankasitrahany ny fanaovana zinona ny hafa, na inona na inona sehatra na saranga misy azy. Alaim-panahy mantsy ny fiaraha-monina hanajanaja sy hitankosinkosina amin’izay heveriny ho manan-kaja na manam-bola sy voninahitra satria hahitany tombontsoa ny fanaovana izany. lalao manomboka anio izany, mianara amin’i Jesoa, noraisiny tsara ary nifandraisana am-pitiavana avokoa ny olona rehetra, na ny zaza na ny zatovo na ny mpamory hetra, tsy misy navahany. Ianao koa, tiava ny namanao tahaka ny tenanao.

2. Fa tsy miafina amin’Andriamanitra izany (and 10b)

« Ny anjeliny any an-danitra mahita mandrakariva ny tavan’ny Raiko izay any an-danitra » hoy ihany ny fanohizan’i Jesoa ny teniny. Asongandiny mazava fa Andriamanitra tenany dia tsy manadino na manao tsinontsinona ireny madinika ireny, matoa manana ny « anjeliny » izy ireny. Ary ambonin’izany, dia tena mihasinkasina eto fa sady hitan’Andriamanitra no reny avokoa izay atao amin’ny olona tsirairay. Tsy foin’ Andriamanitra ary sarobidy aminy avokoa ny olona rehetra, na iza na iza izy; izany no mahatonga an’i Jesoa manao fanoharana ny amin’ny ondry iray nania ka tadiavina (fa avela aloha ny sivy ambin’ny sivifolo), ary rehera hita dia mahafeno fifaliana Azy.

Fanontaniana:

Ahoana izany no tokony hitondrana ny hafa?

Sampana Sekoly Alahady Foibe