1. Ny fanekena taloha dia lalàna teo amin’ Andriamanitra sy Israely (and 7)
Mofonaina anio: Zoma, faha 08 Martsa 2024
Hebreo 8. 7-13
Hebreo 8. 7-13
7 Fa raha tsy nanan-tsiny izany fanekena voalohany izany, dia tsy mba nisy fitoerana hotadiavina ho an'ny faharoa. 8 Fa manome tsiny ny olona Izy manao hoe: "Indro, avy ny andro, hoy Jehovah, Izay hanaovako fanekena vaovao amin'ny taranak'isiraely sy ny taranak'i Joda, 9 Nefa tsy araka ny fanekena nataoko tamin'ny razany Tamin'ny andro nitantanako azy nitondra azy nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta; Fa izy ireny tsy nitoetra tamin'ny fanekeko, Ary Izaho kosa dia tsy nitandrina azy, hoy Jehovah. 10 Fa izao no fanekena hataoko amin'ny taranak'isiraely, Rehefa afaka izany andro izany, hoy Jehovah: Dia hataoko ao an-tsainy ny lalàko, Sady hosoratako ao am-pony, Ary Izaho ho Andriamaniny, ary izy ho oloko; 11 Ary samy tsy hampianatra ny namany sy ny rahalahiny avy izy, Na hanao hoe: Mahalalà an'i Jehovah; Fa samy hahalala Ahy avokoa izy rehetra Hatramin'ny kely indrindra ka hatramin'ny lehibe indrindra; 12 Fa hamindra fo amin'ny tsi-fahamarinany Aho, Ary tsy hotsarovako intsony ny fahotany" (Jer. 31. 31-34). 13 Amin'ny anaovany hoe "vaovao" dia nataony fa efa ela ny voalohany. Fa izay tratra ela sy mihantitra dia efa madiva ho levona.1. Ny fanekena taloha dia lalàna teo amin’ Andriamanitra sy Israely (and 7)
Hitantsika araka izany fa hitan’Andriamanitra fa nisy tsiny izany satria miendrika lalàna izay tsy noraisin’ny Israely loatra ny lanjany sy dikany ka nanjary loza ny fiantraikany taty aoriana. Moa ihany koa lalàna nifanaovan’ Andriamanitra sy ny Israely io ka nanjary niteraka fanavahana ny hafa firenena amin’ny Jiosy. Vahoaka voafidy Israely nefa tsy nahafa-po an’Andriamanitra mihintsy ny fitandremany ireo lalàna natao momba ny fanekena taloha fa nivaona.
2 . Ny fanekena vaovao kosa dia fanekem-pahasoavana sady maharitra mandrakizay (and. 13)
Ity fanekena vaovao ity indray dia tsy lalàna nifanaovan’ Andriamanitra tamin’ny Israely intsony fa ho an’ny olon-drehetra tsy an-kanavaka. Ka na jiosy izy, na jentilisa, na mpanota be, na lahy na vavy, na mainty na fotsy dia misitraka famonjena avokoa. Jesoa Kristy zanak’ Andrimanitra no nahavita io fanekena vaovao io izay fahasoavana no votoatiny io. Tsara lavitra noho ilay taloha io satria hoy ny Rom 2.11″ Fa tsy misy fizahan-tavan’olona Andriamanitra »
Fanontaniana
Ahoana ny fomba fandraisanao ilay Soratra Masina hoe: « Ambany fahasoavana fa tsy ambanin’ny lalàna?«
Sampana Sekoly Alahady Foibe