1- Ny fandrosoan’ny Fiangonana dia ny fifanompoan’ny tsirairay (and 11-13)
Mofonaina anio: Zoma, faha 14 Jona 2024
Efesiana 4.11-16
Efesiana 4.11-16
11 Ary Izy no nanome ny sasany ho Apostoly, ary ny sasany ho mpaminany, ary ny sasany ho evanjelista, ary ny sasany ho mpiandry sy mpampianatra, 12 ho fanatanterahana ny olona masina, ho amin'ny asan'ny fanompoana amin'ny fiangonana*, ho amin'ny fampandrosoana ny tenan'i Kristy, [* Gr. eklesia] 13 mandra-pahatongantsika rehetra ho amin'ny firaisan'ny finoana sy ny fahalalana tsara ny Zanak'Andriamanitra, ka ho lehilahy lehibe, mahatratra ny ohatry ny halehiben'ny fahafenoan'i Kristy; 14 mba tsy ho zaza intsony isika, ka ahilangilana sy ampitambolimbolenin'ny rivotry ny fampianarana samy hafa rehetra amin'ny saim-petsy ataon'ny olona sy ny fihendreny hahatanteraka ny hevitry ny famitahana; 15 fa mba hanaraka ny marina amin'ny fitiavana ka hitombo amin'ny ny zavatra rehetra ho amin'izay Loha, dia Kristy; 16 Izy no itomboan'ny tena rehetra (izay akambana sy ampiarahina tsara) noho ny fifanompoan'ny isan-tonony, araka ny fiàsan'izay rehetra momba azy amin'izay mety ho anjara-asany avy ka hampandrosoany ny tenany amin'ny fitiavana.1- Ny fandrosoan’ny Fiangonana dia ny fifanompoan’ny tsirairay (and 11-13)
Ny Fiangonana dia fiombonan’ny olona mino ka raha tiana handroso izany fiombonana izany dia mila miezaka mifanompo ny tsirairay amin’ny alalan’ny fampiasana izay fanomezam- pahasoavana izay nomen’ny Fanahy Masina. Tsy mitovy fa samihafa avy ny an’ny tsirairay saingy mifameno kosa. Noho izany tsy tokony hialona ny an’ny hafa satria samy tsara avokoa ny fanomezam-pahasoavana. Ohatra hoe tsy ho samy ho mpitondra fivavahana daholo fa iray ihany, tsy ho mahay mihira avokoa fa voatokana. Mila fanetren-tena izany ary fiezahana ny hampivelatra ny azy manokana. Amin’izay mandroso ny Fiangonana.
2- Ny fitazonan’ny olona ny fampianaran’l Kristy ihany no tsy ahavoafitaka (and 15-16)
Kristy no lohan’ny Fiangonana, izay tsy mihazona ny ambaran’ny Loha dia tsy maintsy ho tafaendaka ao amin’ny fiombonana, fa izay miaraka sy miombona amin’ny Loha dia velona sy mamoa. Hoy i Jesoa ao amin’ny Jaona 15.5: « Izaho no voaloboka ianareo no sampana. Izay miray Amiko; ary Izaho aminy dia mamoa be izy: fa raha misaraka amiko ianareo, dia tsy mahay manao na inona na inona ». Tandremo ary ny hevi-diso tanteraka ka miteraka finoana diso izay mahavery any amin’ny fahaverezana. Sao isika sodoka fa rehefa raharaha ao amin’ny ara-pivavahana dia heverintsika ho lalana mitondra mankany amin’ny fiainana. Tandremo! ny vahaolana dia ny fetezatsika ho tarihan’ny Fanahy Masina amin’ny fandraisana ny Soratra Masina.
Fanontaniana
Inona no ahafantaranao fa tena mbola tsy mivaona amin’ny fampianaran-diso ianao?
Sampana Sekoly Alahady Foibe