1-Mitàna ny marina mahavonjy.

Mofonaina anio: Alarobia, faha 25 Jolay 2018

Isaia 56, 1 -2

Isaia 56, 1 -2
1 [Anatra ny amin'ny, fitanana ny marina sy fitandremana ny Sabata, ary toky ho an'ny proselyta sy ny ionoka] Izao no lazain'i Jehovah: Tandremo ny rariny, ary manaova ny marina, fa efa madiva ho tonga ny famonjeko, ary efa hiseho ny fahamarinako.

1-Mitàna ny marina mahavonjy.

Manomana ireo avy any ampahababoana ho amin’ny fanomezan-toky, dia ny fisehoan’ny famonjena ny Tompo nefa tsy tena famonjena ny olona rehetra no hambarany eto. lzay mitàna ny marina no handray ny famonjena notanierahin’i Jesoa Kristy tety antany. Ny fahamarinan’Andriamanitra dia mitondra fahasambarana ao amin’izay mankatoa ny didiny ary manao ny marina mandrakariva. Tsy ny andro natokana hivavahana no zava-dehibe fa ny toe-po hoetina manompo an’Andriamanitra. Ny finoana hanatanterahana ny asa fanompoana nomeny hovitaina.

2-Miaro ny tànany tsy hanao ratsy.

Tsy afaka manao fitan-droa isika, « tsy olona mahay manompo tompo roa » (Mat. 6, 24) ; « aza mirehareha na mandainga hanohitra ny marina » (Jak. 3, 14b). Koa aoka isika hiaro ny tenantsika manontolo tsy hanao ratsy fa hanao ny tsara sy ny marina ankasitrahan’ny Tompo. Fanolorantena hanompo ny Tompo amin’ny fo madio sy marina no hahazoana ny famonjena mampiditra ao amin’ny fiainam-baovao, dia fahasambarana izany. Fiainana hisantarana sahady ny fiainan-danitra na mbola eto antany ihany aza isika.

Fanontaniama :

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM