1- Mihevitra ny olony Andriamanitra (and 29-31)
Mofonaina anio: Alarobia, faha 03 Jolay 2024
Deoteronomia 1. 29-33
Deoteronomia 1. 29-33
29 Dia hoy izaho taminareo: Aza manahy, any aza matahotra azy; 30 Jehovah Andriamanitrareo, Izay mandeha eo anoloanareo, Izy no hiady ho anareo, araka izay rehetra nataony ho anareo tany Egypta teo imasonareo, 31 ary tany an-efitra, izay nahitanao ny fitondran'i Jehovah Andriamanitrao anao tahaka ny fitondran'ny olona ny zanany, dia teny amin'ny lalana rehetra izay nalehanareo mandra-pahatonganareo teto amin'ity tany ity. 32 Kanefa, na dia nataoko aza izany teny izany, mbola tsy ninoanareo ihany Jehovah Andriamanitrareo, 33 Izay nandeha tamin'ny lalana teo alohanareo hitady tany ho anareo hitobianareo, ka ny afo nony alina sy ny rahona nony antoandro no nisehoany hanoro izay lalana nety halehanareo.1- Mihevitra ny olony Andriamanitra (and 29-31)
I Mosesy no mifandahatra amin’ny Zanak’i Isiraely eto, raha milaza hoe: « dia hoy izaho taminareo: Aza manahy, ary aza matahotra azy, Jehovah Andriamanitrareo izay mandeha eo anoloanareo, Izy no hiady ho anareo… » satria tiany hilentika tsara ao an-tsain’ireto zanak’i Isiraely ireto fa teo amin’ny tantarany, hatrany am-piandohana mihitsy dia efa nahasinkasin’ Andriamanitra fa tiany ny olony, ary karakarainy sy raisiny an-tanana. Vao avy noporofoin’ Andriamanitra tamin’ny Zanak’i Isiraely ny fitiavany azy ireo ka namonjeny azy tamin’ny vahohon’ny Egyptiana; tamin’ny alalan’i Mosesy. Ary izany indrindra no mahatonga ity farany, hiteny tsy misorona ireto vahoaka be fanahiana sy be menomenona ireto. Toy ny nahazo an’i Mosesy koa no nataon’ny jiosy an’i Jesoa! Nefa dia notoriany hatrany ny fitiavan’Andriamanitra! lanao koa, aza dia faly manome tsiny ny Tompo fa mba jereo ny tantaranao dia ankasitraho ny fitiavany.
2- Saro-tiavina sy mafy fo ny olony (and 32, 33)
« Kanefa, na dia nataoko aza izany teny izany, mbola tsy ninoanareo ihany Jehovah Andriamanitrareo » hoy i Mosesy, manakiana ny vahoaka satria, na dia efa Andriamanitra izao aza no niady ny adin’ireto vahoaka ireto dia mbola tsy mino ihany izy ireo, mbola tsy matoky ihany fa tanana mahery sy sandry nahinjitra no nitondran’Andriamanitra azy ireo nivoaka avy tany Egypta (Deo 5. 15). Mahagaga fa tsy mino ihany ny olona nefa dia efa nahita sy niaina ny asam-pamonjen’Andriamanitra izao. Toy ny tamin’ny andron’i Jesoa koa. Ary ianao ve mino?
Fanontaniana
Inona no tena mahatonga ny tsy finoan’ny olona an Andriamanitra?
Sampana Sekoly Alahady Foibe