Masi-mandidy Izy

Mofonaina anio: Alahady, faha 29 Oktobra 2023

JEREMIA 18.1-12

JEREMIA 18.1-12
1 [Fanoharana ny amin'ny tanimanga sy ny mpanefy, ary ny anatra manaraka izany] Izao no teny tonga tamin'i Jeremia avy tamin'i Jehovah: 2 Mitsangàna, ka midina ho any amin'ny tranon'ny mpanefy tanimanga, ary any no hampandrenesako anao ny teniko. 3 Dia nidina tany amin'ny tranon'ny mpanefy tanimanga aho, ary, indro, nanao ny asany teo amin'ny ankodina fanaovana izy. 4 Ary raha simba ny vilany ataony araka izay mazàna miseho amin'ny tanimanga eny an-tànan'ny mpanefy dia ataony vilany hafa indray, araka izay tian'ny mpanefy tanimanga hanaovana azy. 5 Dia tonga tamiko ny tenin'i Jehovah hoe : 6 Moa tsy mahazo manao aminareo toy ny ataon'ity mpanefy tanimanga ity va Aho, ry taranak'i Isiraely? hoy Jehovah. Indro, toy ny tanimanga eo an-tanan'ny mpanefy azy, dia toy izany ianareo eo an-tanako, ry taranak'Isiraely. 7 Vetivety* Aho dia milaza firenena sy fanjakana hongotako sy hazerako ary horavako;[Heb. indray mipi-maso] 8 Nefa raha miala amin'ny ratsy izany firenena noteneniko izany, dia hanenenako kosa ny loza izay nokasaiko hamelezako azy. 9 Ary vetivety kosa Aho dia milaza firenena sy fanjakana haoriko sy hamboleko; 10 Nefa raha manao izay ratsy eo imasoko izy ka tsy mihaino ny feoko, dia hanenenako kosa ny soa izay nolazaiko hanasoavako azy. 11 Koa amin'izany, lazao amin'ny Joda sy amin'ny mponina eto Jerosalema hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Indro, Izaho mamorona loza hihatra aminareo ary mihevitra izay hamelezako anareo; Koa samia miala amin'ny lalany ratsy avy ianareo, ary ataovy tsara ny lalanareo sy ny ataonareo. 12 Nefa hoy ireo: Kivy izahay izany! Fa mbola hanaraka ny hevitray ihany izahay, eny, samy hanao araka ny ditry ny fo ratsinay avy izahay rehetra.

1-Masi-mandidy Izy (and6)

« Moa tsy mahazo manao aminareo toy ny ataon’ity mpanefy tanimanga ity va Aho ry taranak’Israely ? Hoy i Jehovah« .Mazava sady hentitra izany teny izany ary maneho marimarina tokoa fatompon’ny fahefana ny amin’izay tiany hitondrana ny fiainan’ny olony Andriamanitra .Tsy misy na iza na iza afaka mibaiko na manery Azy amin’izay sitraky ny fony .Tsitoha Izy .Mitondra inona ho antsika izany ?Mitaona antsika hatahotra an’Andriamanitra izany ,kanefa koa mitarika antsika hanetry tena eo anatrehany izany ka hanaiky izay fandaminany sy fanefeny fa tahaka ny mpanefy tanimanga izay mahalalaaa ny mampety sy mahatsara ny tanimanga eo am-pelatanany .I Jesoa aza manaiky ny fandaminan’Andriamanitra Ray na dia nangirifiry taminy aza (Lio 22.42) .Koa nahoana moa isika no tsy hanaiky hotefen’Andriamanitra sy alamin’Andriamanitra?

2-Mitaky fibebahana Izy(and11)

« Koa amin’izany , lazao amin’ny Joda sy amin’ny mponina eto Jerosalema hoe:izao no lazain’i Jehovah: Indro Izaho mamorona loza hihatra aminareo , ary mieviyra izay hamelezako anareo .Koa samia miala amin’ny lalany ratsy avy ianareo, ary ataovy tsara ny lalanareo sy ny ataonareo » .Ny mahafinaritra amin’ny Andriamanintsika dia izao : tsy mba mamely am-pitaka Izy fa efa lazainy mialoha ny hataony rehefa mbola mikiribiby amin’ny fahotany sy ny faharatsiany ny olona .Nahoana moa no dia hiandry hokapohin’Andriamanitra mafy isika vao hibebaka ? Aza mangataka andro , izao ankehitriny izao dia miverina Aminy .Antso nataon’i Jesoa koa ny hoe: MIBEBAHA ianareo (Mat 3.2) .

Fanontaniana :

Hatraiza ny fahavononanao hibebaka marina tokoa?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM