Manary ny asan’ny maizina
Mofonaina anio: Talata, faha 31 Oktobra 2023
ROMANA 13.11-14
ROMANA 13.11-14
11 Ary tokony hanao izany indrindra isika, satria fantatsika ny andro, fa ankehitriny izao dia ora tokony hifohazanareo amin'ny fahatoriana; fa ankehitriny ny famonjena antsika dia akaiky noho ny tamin'ny andro vao ninoantsika. 12 Efa ho lasa ny alina, ka efa mby akaiky kokoa ny andro, koa aoka hariantsika ny asan'ny maizina ka hitafiantsika ny fiadian'ny mazava. 13 Aoka isika hitondra tena tsara toy ny amin'ny andro; tsy amin'ny filalaovan-dratsy, na amin'ny fahamamoana, tsy amin'ny fijangajangana, na amin'ny fijejojejoana, tsy amin'ny fifandirana, na amin'ny fialonana. 14 Fa itafio Jesosy Kristy Tompo, ary aza miahy ny amin'ny nofo hahatanteraka ny filany.1-Manary ny asan’ny maizina (and 12b)
« Koa aoka hariantsika ny asan’ny maizina ka itafiantsika ny fiadian’ny mazava » ,hoy i Paoly eto . Tiany ho takatry ny kristiana tsara fa ny fiainana kristiana dia tsy vitan’ny teny tsara lahatra ny fisehosehoana ivelany fotsiny ihany fa tena fanapahankevitra hiala ary tsy hiray petsapetsa amin’ny ratsy intsony . Ny hevitry ny hoe : ariana mantsy dia fanapahana fifandraisana mihitsy ary ny zavatra tsy misy ilana azy intsony no ariana,raha tsy hilaza afa-tsy ny fako isika.Tsy misy olona maniry hadio fa hitahiry ny fako sy ny loto rehetra ao an-tranony fa esoriny tao ary avoakany any ivelany ireny ka tsy alainy intsony na hotadiaviny indray ,izany hoe: rehefa nanapa-kevitra hanolo-tena ho an’i Jesoa dia mahafoy tanteraka ny fiainana taloha fa manjary voahary vaovao manana fiainam-baovao feno fahamasinana (2 Kor 5.17).
2-Mitafy an’i Kristy (and14)
« Fa itafio Jesoa Kristy Tompo ary aza miahy ny amin’ny nofo hahatanteraka ny filany » .Rehefa nandray an’i Jesoa dia miova làlana tanteraka mihitsy . Ny hevitry ny hoe: »itafio Kristy » dia tsotra : aoka i Kristy mihitsy no ho tazana eo amin’ny fiainantsika .Kristy no manome hafanana antsika ka miaro antsika tsy ho tratry ny hatsiaka ka hitady lamba hafa itafiana,ary ambonin’izany dia i Kristy mihitsy ny manala henatra antsika ,ka mahatakona sy mahasarona arymahafoana ny fahotantsika mihitsy aza ,mba hahazoantsika mijoro tsy amin-kenatra eo anatrehan’Andriamanitra Ray.
Fanontaniana:
Ary inona mba ahoana raha mandrefy tena ,manoloana ireo zava-droa aloha ireo ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM