Manambara ny fanatrehan’ Andriamanitra izy .
Mofonaina anio: Alahady, faha 13 Janoary 2019
2 Samoela 6.1-11
2 Samoela 6.1-11
1 [Ny namindrana ny fiaran'i Jehovah nankany Jerosalema] Ary novorin'i Davida indray ny lehilahy voafantina rehetra tamin'ny Isiraely, dia telo alina. 2 Dia niainga Davida sy ny olona rehetra izay nanaraka azy ka niala tany Bala-joda hampakatra ny fiaran'Andriamanitra izay niantsoana* ny anaran'i Jehovah, Tompon'ny maro, Izay mipetraka amin'ny kerobima.[Na: izay nantsoina tamin'] 3 Ary nataony teo amin'ny sariety vaovao ny fiaran'Andriamanitra ka nentiny avy tao an-tranon'i Abinadaba teo an-kavoana*; ary Oza sy Ahio, zanak'i Abinadaba, no nampandeha ny sariety vaovao.[Na: Gibea] 4 Ary dia nentiny niala tao an-tranon'i Abinadaba teo ankavoana niaraka tamin'ny fiaran'Andriamanitra izany; ary Ahio nandeha teo alohan'ny fiara. 5 Ary Davida sy ny taranak'Isiraely rehetra nitsinjaka teo anatrehan'i Jehovah tamin'ny karazan'ny zava-maneno rehetra natao tamin'ny hazo kypreso, dia tamin'ny lokanga sy ny valiha sy ny ampongatapaka sy ny korintsana ary ny kipantsona. 6 Ary nony tonga teo amin'ny famoloan'i Nakona izy, dia naninjitra ny tanany tamin'ny fiaran'Andriamanitra Oza ka nihazona azy, satria nazeran'ny omby ny fiara. 7 Dia nirehitra tamin'i Oza ny fahatezeran'i Jehovah; ary namely azy teo Andriamanitra noho ny fahadisoany, ka dia maty teo anilan'ny fiaran'Andriamanitra izy. 8 Ary dia tezitra* Davida noho ny namelezan'i Jehovah an'i Oza, ka dia nataony hoe Perez-oza** ny anaran'izany tany izany mandraka androany.[*Na: nalahelo][**Perez-oza = Famelezana an'i Oza] 9 Ary Davida natahotra an'i Jehovah tamin'izany andro izany ka nanao hoe: Nahoana no ho entina at? amiko ny fiaran'i Jehovah? 10 Ary Davida dia tsy nety namindra ny fiaran'i Jehovah ho ao aminy ao an-Tanànan'i Davida; fa naviliny ho ao an-tranon'i Obed-edoma Gatita. 11 Ary nipetraka telo volana tao an-tranon'i Obed-edoma Gatita ny fiaran'i Jehovah; ka dia notahin'i Jehovah Obed-edoma sy ny ankohonany rehetra.1-Manambara ny fanatrehan’ Andriamanitra izy .
Tany Baala-Joda na Kiriata-Jearima, faritanin’ny Benjamina (Jos 18.28) no nipetraka izy io rehefa naverin’ny Filistina (1 Sam 7.1). Andriamanitra eo ka miara-monina ,azo antsoina no raketin’ny fiaran’ny fanekena. Raharaha iombonana ny famindrana azy ,noho izany satria laharam-pahamehana eo amin’ny fampiorenam-piainana ny fampitoerana azy eo amin’ny tontolo iainana.
2-Manambara ny fahamasinan’Andriamanitra izy .
Ny Levita no mahazo mikasika sy mikarakara ny fonenan’ny Tompo na ny alitara sy ny momba azy . Tsy manan-jo amin’izany i Oza Benjamita na dia nampandeha ny sarety sy efa nihazona izany tao an-tranony efa ho roapolo taona aza (1Sam 7.2) . Izay no antony namelezan’ny Tompo azy ho faty.
3-Mitondra fitahiana ho an’izay ietrahany izy .
Navily ho any amin’i Obeda ilay Levita (1 Tant 15.16-17.24) ny vata misy ny fanekena . Tonga fitahiana ho azy ny telo volana nitoeran’ny fiara tao amony. Fa tsy misy olona mampiantrano marina an’i Jesoa ka tsy hahazo fitahiana (Lio 19.10).
« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-3