1 Korintiana 14.1-19
Mofonaina anio: Alarobia, faha 28 Aogositra 2019
Fandalinana ny Boky 1 KORINTIANA
1 Korintiana 14.1-19
1 [Ny fihoaran'ny fahaizana haminany noho ny fahaizana hanao fiteny tsy fantatra] Miezaha mitady ny fitiavana, nefa maniria fatratra ny zava-panahy koa, indrindra fa ny haminany 2 Fa izay miteny amin'ny fiteny tsy fantatra dia tsy miteny amin'olona, fa amin'Andriamanitra; fa amin'ny fanahy no itenenany zava-miafina, ka tsy misy olona mahalala; 3 fa izay maminany kosa miteny amin'olona ho fampandrosoana sy ho famporisihana ary ho fampiononana. 4 Izay miteny amin'ny fiteny tsy fantatra dia mampandroso ny tenany; fa izay maminany kosa mampandroso ny fiangonana*. [* Gr. eklesia] 5 Tiako raha samy hiteny amin'ny fiteny tsy fantatra ianareo rehetra; nefa aleo haminany; fa izay maminany dia lehibe noho izay miteny amin'ny fiteny tsy fantatra, raha tsy mandika teny koa izy hahazoan'ny fiangonana* fampandrosoana. [* Gr. eklesia] 6 Nefa, ry rahalahy, raha mankeo aminareo aho ka miteny amin'ny fiteny tsy fantatra, inona moa no soa ho vitako aminareo amin'izany, raha tsy fanambarana, na fahalalana, na faminaniana, na fampianarana, no hitenenako aminareo? 7 Ary ny zavatra tsy manana aina, na sodina, na lokanga, na dia maneno aza, raha tsy manao feo samy hafa, ahoana no hahafantarana izay ataony, na amin'ny sodina, na amin'ny lokanga? 8 Fa raha manao feo hafahafa ny trompetra, iza no hiomana hiady? 9 Dia toy izany koa ianareo: raha tsy mazava ny teny aloaky ny vavanareo, hatao ahoana no fahafantatra izay lazainareo? Fa raha tsy izany, dia hiteny amin'ny rivotra ianareo. 10 Misy fiteny maro samy hafa amin'izao tontolo izao, ka samy manana ny heviny avy. 11 Koa raha tsy mahalala ny hevitry ny fiteny aho, dia ho vaka amin'izay miteny, ary izay miteny ho vaka amiko kosa. 12 Ary toy izany ihany koa ianareo: raha fatra-paniry ny zava-panahy, dia izay hampandroso ny fiangonana* no tadiavo indrindra. [* Gr. eklesia] 13 Koa aoka izay miteny amin'ny fiteny tsy fantatra hangataka mba hahay mandika teny koa. 14 Fa raha mivavaka amin'ny fiteny tsy fantatra aho, dia ny fanahiko ihany no mivavaka, fa ny saiko kosa tsy mahavanona. 15 Ahoana ary no izy? Sady hivavaka am-panahy no hivavaka an-tsaina koa aho; sady hihira am-panahy no hihira an-tsaina koa aho. 16 Fa raha misaotra am-panahy fotsiny ihany ianao, hataon'izay tsy mahay ahoana no hanao Amena, raha misaotra ianao? satria tsy mahalala izay lazainao Izy. 17 Fa ianao dia misaotra tsara ihany, nefa ny hafa kosa tsy mba ampandrosoina. 18 Misaotra an'Andriamanitra aho fa miteny amin'ny fiteny tsy fantatra mihoatra noho ianareo rehetra aho; 19 nefa raha ao am-piangonana*, dia aleoko manao teny dimy fantatry ny saiko mba hampianarako ny sasany koa, toy izay hanao teny iray alina amin'ny fiteny tsy fantatra. [* Gr. eklesia]1 Korintiana 14.1-19
« Ary toy izany ihany koa ianareo , raha fatra-paniry ny zava-panahy dia izay hampandroso ny fiangonana no tadiavo indrindra » (1Kor 14.12) . Antso avo ataon’ny Soratra masina amintsika izany . Lesona lehibe atolotra ny mpino eto dia izao :
1-Katsaho izay hampandroso ny hafa
« Izay miteny amin’ny fiteny tsy fantatra dia mampandroso ny tenany , fa izay maminany kosa mampandroso ny fiangonana » (and4 ) . Tsy manao tsinotsinona ny fiteny tsy fantatra akory i Paoly raha milaza hoe: maminany fa ny tena zava-dehibe amin’ny maha- kristiana dia ny fikatsahana izay hampandrosoana ny fiangonan’ Andriamanitra manontolo no kendrena . Tandremo ! Tsy mahazo tia tena ny kristiana . Izay tombom-pahasoavana anananao dia ikatsahana izay hampandrosoana ny hafa. « Aoka tsy hisy olona hitady ny hahasoa ny tenany , fa ny hahasoa ny namany » (1 Kor 10.24) .
2-Mifameno ho fampandrosoana ny fanahy sy saina
« Ahoana àry no izy ? Sady hivavaka am-panahy aho no hivavaka an-tsaina koa aho , sady hihira am-panahy no hihira an-tsaina koa aho » (1 Kor 14.15) . Ilay FIZIANA ivon’ny maha-olona feno no ambaran’i Paoly eto , entina mivavaka amin’ Andriamanitra ary ho fampandrosoana ny manontolo fa tsy ampahany ihany . »Koa tiava an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra sy ny ainao rehetra ary ny herinao rehetra » (Deo 6.4-5) (Marka 12.30) .
« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-8