Mahatoky amin’ny asany ny mino
Mofonaina anio: Zoma, faha 14 Oktobra 2016
1 Korintiana 4,1 - 5
1 Aoka hataon'ny olona ho mpanompon'i Kristy sy mpitandrina'ny zava-miafina izay an'Andriamanitra izahay. 2 Ary raha izany, dia fantatrareo fa ny mpitandrina* dia tokony ho olona mahatoky. [* Gr: mpitandrina fananana] 3 Fa raha ny amiko, dia ataoko ho zavatra kely foana, na hotsarainareo aho, na hotsarain'olona* fa ny tenako aza tsy mitsara ahy. [* Gr. andron'olona] 4 Fa tsy hitako izay tsiniko, nefa tsy mahamarina ahy izany; fa ny Tompo no Mpitsara ahy: 5 koa amin'izany aza mitsara na inona na inona alohan'ny fotoana, dia ny fihavian'ny Tompo, Izay hampiharihary ny zavatra takona ao amin'ny maizina ka hampiseho ny fikasan'ny fo; dia samy hahazo izay derany avy amin'Andriamanitra izy rehetra.MAHATOKY AMIN’NY ASANY NY MINO
1 KORINTIANA 4.1-5
1-Fantaro ny maha-mpitantana anao
Ny ambara eto hoe : « mpitandrina » dia tsy « pasitera » akory . Ny hevitry ny teny eto dia « mpitantana » . ny asany dia ny manara-maso ny fananan’ny tompony . Raha ampiharin’i Paoly amin’ny maha- Apostoly azy izany dia izao no heviny : manara-maso fatratra ny fitoriana ny Filazantsara izy mba ho voatory marina izany , araka izay tena izy tokoa . Isika koa , tokony ho sarotiny toy izany , na eo amin’ny Filazantsara torin’ny hafa na izay torintsika .
2-Aza matahotra ny fitsaran’olombelona (and3-5)
Matetika ihany no mahery loatra amintsika ny fitsaran’ny olona , ny mason’ny olona , ny vavan’olona . Vokany : ireny no atahorantsika ka mibaiko ny fihetsika ataontsika , na ny fanapahan-kevintsika , na ny teny ambarantsika eo am-panatanterahana ny asan’ny Tompo . Eto dia mazava ny sitrapon’ Andriamanitra : ny Tompo no mpitsara ahy , hoy i Paoly . Ary izany ihany no tokony hotanantsika koa . Milaza izany amin’ny fomba hentitra i Paoly ao amin’ny Gal 1.10 ; Hoy izy : « Ary ankehitriny , olona va no ilako fitia sa Andriamanitra ? Sa mila sitraka amin’olona aho ? Raha mbola mila sitraka amin’olona aho , dia tsy mpanompon’i Kristy » . Izany akory tsy midika fa tsy hiraharaha izay mety ho hevitra ambaran’ny mpiara-miasa isika . Tsia ,fa izao : ny hahafaly an’i Jesoa no fidintsika raha mifanohitra amin’ny Azy ny ambaran’olona .
Fanontaniana :
Toejavatra toy inona no efa hitanareo , nisian’ny hoe : hisy kristiana tsy nahatoky satria nila sitraka tamin’olona ?
Birao S ekoly Alahady FOIBE FJKM