1 – Anekena na fanamelohana sy famonoana aza

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 26 Jolay 2018

Jakoba 5:1-6

Jakoba 5:1-6
1 [Fanamelohana ny mpanankarena ratsy fanahy] He! ianareo manan-karena, mitomania sy midradradradrà noho ny fahoriana izay efa manjo anareo. 2 Ny harenareo efa simba, ary ny fitafianareo efa lanin'ny kalalao. 3 Ny volamena sy ny volafotsinareo dia efa harafesina; ary ny harafesiny dia ho vavolombelona hiampanga anareo sady handany ny nofonareo tahaka ny afo. Efa namory harena amin'ny andro farany ianareo. 4 Indro, ny karaman'ny mpiasa nijinja ny taninareo, izay hazoninareo, dia mitaraina; ary ny fitarainan'ny mpijinja dia efa tafiditra amin'ny sofin'ny Tompon'ny maro. 5 Efa velona tamin'ny fy tet? ambonin'ny tany ianareo sady nanaram-po tamin'ny fahafinaretana; efa namahy ny fonareo tamin'ny andro hamonoana ianareo. 6 Efa nanameloka namono ny marina* ianareo; fa tsy manohitra anareo izy. [* Na. Ilay marina . . . Izy]

1 – Anekena na fanamelohana sy famonoana aza

Tonga mpandresy tahaka an’i Jesoa Kristy isika raha mihazona mafy ny teny fahamarinana ao Aminy. Izy no hanamarïna na iza na iza hiampanga ny olomboafidiny. Efa notanterahin’i Jesoa avokoa ny ady mampitondra fahoriana eto amin’izao tontolo izao ka nametrahany fampanantenana hoe « matokia » ! Manaiky ho maritiora na vavolombelona ny mpitory ny Filazantsaran’ny famonjena satria hiatrehana zava-tsarotra izany. Aoka ialàna ireo toetra mifanohitra amin’izany fa tsy hahatanterahantsika ny sitrapon’ny Tompo. Toetra feno tsy fahamarinana hita amin’ny and. 1‑6.

2 – Fandrasana ny baikon’ny Tompo Jesoa

Manazatra ny zanany amin’ny fomba amam-panaony ny raiamandreny rehetra. Ny Tompontsika koa maneho fanazarana antsika hanao ny marina ao amin’ny Soratra Masina. Tsy nanohitra ireo mpampahory sy mpampijaly tokoa i Jesoa mba hahavitan’ny famonjena tamin’ny nanolorany ny tenany ho sorona.
Ampianariny hiandry sy hatoky Azy isika ary manome baiko Izy toy ny hoe : « aza manahy izay havalinareo, na izay holazainareo » (Lio. 12:11). Finoana sy fahatokiana tanteraka Azy no tadiaviny koa aoka hanam-paharetana isika amin’ny fijoroana marina.

Fanontaniana :

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM