SEMINERA FJKM AMPARIBE

FANARENANA NY TRANON’NY SEMINERA AMPARIBE

 

Mizara roa lehibe ny asa ho amin’ny fanarenana indray ny Seminera FJKM Amparibe taorian’ny fahasimbana lehibe nihatra taminy vokatr’ireny rotsak’orana be tamin’ny taona 2015 ireny.

Miompana amin’ny asa vonjy taitra (travaux d’urgence)ny asa voalohany; ny faharoa kosa ny fanarenana amin’ny ankapobeny (réhabilitation totale). Ny ampahany voalohany amin’ny asa no notanterahana  aloha ary tontosa izany ankehitriny. Maromaro ireo asa natao tao anatin’izany izay mizara ho dingana roa:

– ny andiany voalohany, niantomboka ny Jolay 2015, dia ny fanamboarana ny vata-trano, ny fanarian-drano, ny tafo , ny gorodona, ny tohatra,sns. Vola mitentina Ariary 2 hetsy sy 11 tapitrisa no vola nanatontosana izany. – Ny asa andiany faharoa kosa, dia ny fanamboarana ny trano fidiovana sy ny  fivoahana izay tena nianjadiana olana be tokoa; sy ny jiro tany amin’ny efitranon’ireo mpianatra tokantena, izay nojerena manokana, fa izay no tratra.Tsy mbola vita tanteraka io asa faharoa io. Vola mitentina Ariary 13 tapitrisa kosa no enti-manana amin’ny famitana ny asa.

Ny Zanaka Mpanohana ny FJKM, izay tarihin’ny filohany, RALISON Alphonse,  no nanapa-kevitra hisahana ny asa fanarenana ity Seminera ao Amparibe ity mba ho asa vavolombelona. Tontosany ny asa vonjy taitra ary natolony ny Talata 15 Novambra 2016 lasa teo. Mbola misy araka izany asa lehibe miandry ho amin’ny fanarenana tanteraka ity Seminera ity.

Noho ny olana amin’ny trano, dia tsy misy afa-tsy 86 aloha hatreto no monina ao Amparibe izay ahitana: – Mpianatra sy ny vadin’ny mpianatra miisa, – Mpandraharaha, – Zanaky ny mpianatra, – ary Mpanampy (an’ny mpianatra).

Tsiahivina, fa noho ny fahasimban’ny trano izay tena natahorana tokoa tamin’ny taona 2015, dia voatery niala aloha izy ireo ny volana Martsa ka hatramin’ny Oktobra 2015.

Marihina, fa tonga nanatrika izao fotoana izao ny Filohan’ny FJKM,  IRAKO ANDRIAMAHAZOSOA Ammi Mpitandrina, ary teo ihany koa ny Filoha teo aloha, RASENDRAHASINA Lala Haja Mpitandrina, ny Doyen de la Faculté de Théologie Ambatonakanga, Dr.RAMAMBASON Laurent Mpitandrina, sy ireo tompon’andraikitra maro samihafa eo anivon’ny fiangonana.