SP AA 11/ FJKM Rasalama Maritiora Ambohipotsy

FANASANA

Asaina amim-pitiavana isika mpianakavin’ny finoana  hiombompo amam-panahy amin’ny  Fankalazana an’ Andriamanitra noho ny

Ivon’ny  faha-150 Taonan’ny FJKM Tranovato
Rasalama Maritiora Ambohipotsy .

Toy izao ny Fandaharam-potoana :

Sabotsy 17 Novambra 2018 , 9.30 mn :  Fotoana iarahana amin’ny FOIBE sy ny SP Antananarivo Atsimo (SP11), hitokanana ny Takelabato fahatsiarovana sy ny Akany Rasalama . Hisy ny fampirantiana ny tantaran-dRasalama  sy ny tantaran’ny Fiangonana .

Alahady 18 Novambra 2018, 9.30mn : iantsoana ny taranaka rehetra miely patrana manerana ny Nosy sy any am-pitandranomasina . Ho faranana amin’ny fiaraha-misakafo ny fotoana  . Koa aoka samy hitondra fitaovam-pihinanana .

« Ary aoka ny tany rehetra ho henika ny voninahiny . Amena dia Amena » Salamo 72.19b