Faha-50 taona FJKM sy faha-200 t nidiran’ny Filazantsara .
FANASANA .
“Koa aza menatra ny ho Vavolombelon’ ny Tompontsika” II Timoty 1:8a .
Ny Biraon’ny Mpiandraikitra Foibe dia miantso ny Vahoakan’Andriamanitra rehetra tsy ankanavaka eto Antananarivo sy ny manodidina hiara-hanome voninahitra an’Andriamanitra noho ny fananganana ny tsangambaton’ny faha 50 taonan’ny Fiangonan’ i Jesoa Kristy eto Madagasikara sy ny faha 200 taonan’ny nidiran’ny Filazantsara teto Madagasikara.
Izany dia hotanterahina eny amin’ny Kolejy Teolojika Ivato amin’ny Talata 08 Novambra 2016 ho avy izao manomboka amin’ny 11 ora atoandro.
Manentana antsika ho tonga marobe ho voninahitr’Andriamanitra