Ny Mpanatanteraka .

FIFIDIANANA  teo anivon’ny MF .

Tontosa tamin’iny fivorian’ny Mpiandraikitra Foibe voalohany iny (19- 26 oktobra 2016) ny fifidianana ireo antsoina hoe: Mpanatanteraka teo anivon’ny Foibe FJKM. Raha atao indray milaza ny tsara ho fantatra momba ny Mpanatanteraka eo anivon’ny Foibe FJKM dia toy izao:

  • Olom-boafidy

Araka ny and. 25. 2 ao amin’ny Foto-dalana dia andraikitry ny Mpiandraikitra Foibe izay voafidin’ny Fivorian’ny Synoda Lehibe ny mifidy ny Mpanatanteraka eo anivon’ny Foibe FJKM. Mitarika izany Mpanatanteraka izany ny Sekretera Jeneraly; izy indray no manolotra ireo ho Tonian’ny Departemanta mba hankatoavin’ny Mpiandraikitra Foibe, mifanaraka amin’izay isan’ny Departemanta natsangan’ny Mpiandraikitra Foibe.

Niovaova ny isan’ireo Departemanta nandrafitra ny mpanatanteraka arak’izay namaritan’ny Mpiandraikitra Foibe azy teo aloha. Fa ankehitriny, miisa telo izany departemanta izany, eto anivon’ny FJKM ankehitriny dia ny Departemantan’ny Fiangonana sy ny Departemantan’ny Sekoly ary ny Departemantan’ny Mpiasa sy ny vola. Matihanina amin’ny asany izy ireo amin’izany (araka ny and.33 amin’ny foto-dalana).

  • Olona Mpikambana ao amin’ny Fivorian’ny Synoda Lehibe

Tamin’ny laharana tany aloha dia efa notanisaina teto ireo sokajin’olona izay mandrafitra ny fivorian’ny Synoda Lehibe . Iray amin’ireny ny Sekretera Jeneraly sy ny Tonian’ny Departemanta araka ny and. 233 ao amin’ny Fitsipika. Tsy manana zo hanapa-kevitra anefa izy ireo amin’izany (Fitsipika and.233)

  • Olon’ny Ambaratonga Mpanatanteraka

Na ny Sekretera Jeneraly na ny Tonian’ny Departemanta dia samy ao anatin’ny ambaratonga Mpanatanteraka. Manampy azy ireo amin’ity ambaratonga mpanatanteraka ity ny Prezida Synodaly sy ny Tonia ary ny Talen’ny Sampana sy Sampanasa ary asa. Misaraka tanteraka amin’ny ambaratonga mpanapa-kevitra izy amin’izany, ka izany no mahatonga ireo Mpiandraikita Foibe voafidy ho ao amin’ny Ambaratonga mpanatanteraka ho tsy maintsy miala amin’izany toerana misy azy izany raha te-ho Sekretera Jeneraly na Tonian’ny Departemanta izy.(fitsipika and. 267)

Na izany aza, azo antsoina hanatrika ny fivorian’ny Mpiandraikitra Foibe izy ireo raha ilainy (Fitsipika and. 268)

  • Olon’ny fanatanterahana fanapahan-kevitra (Fitsipika and. 269)

Ny Sekretera Jeneraly no mitarika ny fanatanterakana ireo hevitra rehetra tapaky ny Mpiandraikitra Foibe sy ny Biraon’ny Mpiandraikitra Foibe. Amin’izany, izy no miantoka ny fampandehanan-draharaha rehetra ao amin’ny sahan’ny FJKM sy ny Foibe FJKM. Ny Fitsipika and. 269 no mitanisa ireo andraikitra ho tanterahin’ny Sekretera Jeneraly. Andraikitra nofehezin’ny Fitsipika amin’ny fitanisana miisa dimy amby folo.

Koa satria ny Sekretera Jeneraly no nanolotra ny Tonian’ny Departemanta araka ny voalaza tetsy aloha, mba hankatoavin’ny Mpiandraikitra Foibe dia tomponandraikitra eo anatrehan’ny Sekretera Jeneraly izy ireo eo amin’ny fanatanterahany ny andraikitra momba ny departemanta iandraiketany. Amin’izany dia miisa dimy ny andraikiny, araka ny fitanisan’ny Fitsipika and. 271.

Eto am-pamaranana, Andriamanitra anie homba ireto Mpanatanteraka vao nofidin’ny Mpiandraikitra Foibe ireto ka hahazoan’izy ireo manatanteraka ny fanompoany amin’ny fifaliana satria ny Tompo Jesoa no momba azy.

Rasorapiangonana