Fahasalamana/ Aretim-bavony
FITSABOANA NY ARETIM-BAVONY
Maro ny olona no marary vavony, betsaka ny antony mety mahatonga izany. Tsy mifidy taona sy sokajy fa efa saika voan’io aretin’io avokoa ny 95 isan’ny Malagasy. Mialoha ny hanolorana anao izay fomba tsotra sy fitandremana tokony atao mba hitaizana sy hitsaboana ny fahasalaman’ ny vavony dia indro ampahatsiahivina anao mpamaky ny antony vitsivitsy mety mahatonga ny aretim-bavony ka ahafahanao mitandrina.
-Loha-laharana amin’ireny ny fisotroana zava-pisotro misy alikaola sy ny fifohana sigara mbamin’ny forongony rehetra.
-Ny fihinanana sakafo mavesatra izay efa fantatrao fa tsy zakanao nefa mbola hohanina ihany.
-Ny zavatra manta rehetra ka tsy masaka tsara sy tsy voatsako ara-dalàna na be menaka loatra.
-Ny aretin’ny nify, ka mahatonga ny vavony hiasa be ka mahareraka azy.
-Fisotroana rano na sakafo mamay tafahoatra.
Ireto misy toro-hevitra 5 azonao ampiharina raha efa mparary vavony matetika ianao :
1-Ovy manta roa isanandro: atao anelanelam-potoana, ny fikarakarana azy kikisana ny ovy, atao izay ahazoana ranony dia iny no sotroina.
2-Ravina papay iray ampiarahina amin’ny rano 1 litatra, apangotrahina ny rano, arotsaka ny ravina papay efa voadio tsara. Misotro antsasaky ny vera 15 mn alohan’ny sakafo maraina sy atoandro ary hariva.
3-Laisoa sy karaoty: Totoina ny laisoa manta dia fihazana, toy izany koa ny karaoty, iray vera ny fitambarany. Sotroina 15 mn alohan’ny sakafo.
4-Tongolo be (oignon): Andrahoina, tetehina ny tongolo 3, arotsaka 5 mn anaty rano mangotraka ampaha efatry ny litatra. Sotroina 15-30 mn alohan’ny sakafo.
5-Ravina apongabendanitra (raha efa mandoa ra): Ampangotrahy amin’ny rano 1 litatra ny ravina apongabendanitra iray tànana ka ataovy very sasaka, izany hoe antsasaky ny litatra sisa ny rano vao esorina eo ambony fatana. Atao rano fisotro. Fa raha mbola tsy mandoaka fa mandoa tsotra dia afangaroy ny ranona vahona 1 vera + tantely 1 sotro, misotro 1 sotro isaky ny mifoha maraina.
Mirary soa anao sy ny ankohonanao mba ho salama finaritra ka hahavita ny adidy sy andraikitra napetraky ny Tompo. Ho anao izay tsy taizan’izany aretina izany kosa dia ny misoroka no tsara indrindra.Tahian’ny Tompo daholo e!
Evariste RASOLOHERY, Santatra Fahazavana