TATITRA / Fanolorana ireo MF sy ny Mpanantanteraka FOIBE

 

« Koa  aza menatra  ny ho vavolombelon’ny Tompontsika » (2 Tim 1.8a)

Misaotra  an’ Andriamanitra lehibe , lohan’ny Fiangonana isika fa tontosa soamatsara  ny Fanompoampivavahana  fisaorana an’ Andriamanitra  sy fanolorana  ary fametrahana amin’ny andraikiny ireo Mpiandraikitra Foibe , fanolorana ny Birao mpanatanteraka  eo anivon’ny FOIBE FJKM .

Izany dia natao ny Alahady 23 Oktobra 2016 , tamin’ny 2ora sy sasany , tao  amin’ny FJKM Analakely

Nitarika ny fotoana : ny Mpitandrina ao amin’ny FJKM Analakely  RAZAFIMAMONJY   Dina  .

Nitoriteny : ny Filohan’ny FJKM , ny Mpitandrina IRAKO ANDRIAMAHAZOSOA Ammi .

Nitarika  ny fanolorana  sy fametrahana : ny Mpitandrina RAKOTONIRINA Charles.

Nitari-bavaka sy namaky ny Teny avy ao amin’ny Soratra masina ireo Mpikambana Birao FOIBE  , ny Mpitandrina SOJA Arthur,  President Synodal  Ambovombe  Androy .

Nanafana ny fotoana : ny STK AFA FJKM Ambohinaorina .

 

 

Ireo Tomponandraikitra natolotra sy

napetraka teo amin’ny toerany :

-Sekretera Jeneraly : RADIMISAON Jonah , Mpitandrina

-Tonian’ny Departemantan’ny Fiangonana : RAKOTONDRAINY Jaona , Mpitandrina  (President Synodal     Mangoro Moramanga teo aloha )

-Tonian’ny Departemantan’ny Sekoly : RAKOTONDRANAIVO Domoina Andrianasolo (Talen’ny Sekoly FJKM Marovoay   teo aloha )

-Tonian’ny Departemantan’ny Mpiasa sy ny Vola : Ramatoa ANDRIANIRINA Velosoa (Vadin’ny Mpitandrina  FJKM  Antarandolo Fianarantsoa )

Noraisin-tànana koa ny mpikambana ao amin’ny :

FIFAMPI notarihan’ny Filohany , ny Mpitandrina RAZAFINDRAMANITRA Nestor  

 FIFAFI notarihan’ny Filohany  RAZARASOA Timoty , Mpitandrina .

 

ASA VAVOLOMBELONA :

-Fiarahabana  ny solotenan’i Madagasikara , Ramatoa RALIBERA Mbolatiana  no  nibata ny loka voalohany tamin’ny fifaninanana iraisam-pirenena momba ny fanaovana tetikasa ,  niarahana tamin’ny ENTREPRENARIAT  BIBLIQUE . Mikasika ny FIOMPIANA PAPELIKA  no notohanany tamin’izany .

-Fanaovam-beloma an- dRamatoa HILDA ASIKULE , mpampianatra teny Anglisy tamin’ny sehatra samihafa teo anivon’ny FJKM . Niasa teto Madagasikara nandritra ny 10 taona izy , ary ny vadiny Japhet ASIKULE miasa eo anivon’ny SAF / FJKM dia mbola hanohy ny asany hatramin’ny volana Desambra .

 

TORITENY :

2 TANTARA 34.1-7

Antsoina ho mahatoky toa an’i Josia isika

1-Mahatoky amin’ny finoana :

Nitady an’ Andriamanitra i Josia . Endriky ny fahatokiana izany . Tsy nanara-davahana tamin’ny nataon’ireo teo aloha izy . Fiverenana mba ho Andriamanitra no ivon’izay rehetra atao . Josia nitondra fanavaozana teo amin’ny fiangonana sy ny firenena . Ampitahao amin’ny tantaran’i Zakaiosy .Tena nitady an’ Andriamanitra  izy . Tsy maintsy niova , midina , manetry tena  , mampandroso an’i Jesoa ao am-po. Zakaiosy dia mpanangona teo aloha , lasa mpanolotra .Efa lasa ny zavatra taloha  fa tsy hoe : nihena ny zavatra teo aloha . Mila  lehilahy sy vehivavy mahatoky amin’ny finoana  satria  nandray fiainam-baovao ny fiangonana .

2-Mahatoky  amin’ny fanompoana :

Josia dia tia miasa . Tsy mijanona  ho fiovam-po fa niasa nandrava  ny sampy rehetra tany izy . Mila vonona hiasa fa tsy mila entanina , tsy malaina . Rehefa niasa izy dia nandrava , nokapainy , notorotoroiny , nomongomongoiny ny sampy . Tsy nahafinaritra ny olona izany zavatra nataon’i Josia izany . Tsy manao marimaritra iraisana . Aoka ho mpanompo mahatoky. Matio 15 . 13 : hongotana  fa tsy safosafoina . Jesoa koa  nandray kotopia , nanjera ny latabatry ny mpanakalo vola rehefa nahita ny zavatra tsy mety tao amin’ny Tempoly . Toy izany koa  no iantsoan’ Andriamanitra antsika . Na ao anatin’ny fiangonana aza dia misy sampy samy hafa . Misy mbola mitan-droa  ao am-piangonana .Mila miverina indray mieritreritra isika . Tsy voatery hahafaly ny olona akory izany . Ny sampy lehibe ankehitriny dia ny VOLA . Mahatsiravina ny fahefan’ny vola .Ravao ny tempolin-tsampy ato anatin’ny fiangonana .Tsy maintsy ravana ny herin’ny vola .Isan’ny sampy lehibe koa ny FILAN-DRATSY , ny fijangajangana , ny toaka … Tsy maintsy ravana avokoa izany .

3-Mahatoky  amin’ny finoana sy ny fanompoana :

Misy amin’ireo efa nahavita asa lehibe no hametram-panontaniana amin’ny andro farany hoe : « tsy efa nanao asa lehibe tamin’ny anaranao va izahay ? » Ny hoe : mahatoky amin’ny finoana  dia fiainana ao anaty , avy eo vao miseho ety ivelany . Raha tsy izany dia fihetsiketsehana  mampidi-doza, fisandohana fotsiny ihany . Hoy i Jesoa tamin’ny :mpianany ao amin’ny JAONA 6.70 : « … Tsy Izaho va no nifidy anareo roa ambin’ny folo lahy , nefa ny iray aminareo aza dia devoly ? ». Jodasy  koa nantsoina  ho mpitahiry vola , nanana  andraikitra , nanaiky ny fifdianana azy fa tsy nanaiky ilay NIFIDY Azy izy .Ary ianao , moa manaiky ilay nifidy anao ka manaiky Azy ho Tompo sy Mpamonjy anao ?

Farany , mamerina ny antso : VONTOSY FILAZANTSARA NY NOSY MADAGASIKARA. Ny fiangonana tsirairay no manomboka  izany . Ataontsika  henika ny Filazantsara i MADAGASIKARA , ary amin’ny taona 2118 dia mbola hitoetra ho kristiana hatrany ny Nosy Madagasikara .

An’ Andriamanitra  irery ihany ny Voninahitra

Nangonin-dRamatoa Sahondra Rabelison

Afifab /site web