Sekoly / Fisokafan’ny Taom-pianarana 2017-2018.
DEPARTEMANTAN’NY SEKOLY FJKM
Misokatra amin’ny fomba ôfisialy ny taom-pianarana 2017-2018
Ny marainan’ny Zoma 19 Janoary 2018 no nanokafana tamin’ny fomba ôfisialy ny taom-pianarana 2017-2018. Mpianatra sy mpanabe maro avy amin’ireo Sekoly FJKM manerana ny Nosy no notsofin’ny raiamandreny Filohan’ny FJKM rano teny amin’ny FJKM Andrainarivo Fahasoavana.
Sekoly velona ny Sekoly FJKM satria an-jatony maro ireo mpianatra sy sekoly nankasitrahana noho ny vokatra azon’izy ireo nandritry ny taom-pianarana 2016-2017 nodinganina teo iny. Fampiofanana sy fanamafisana ny fahaiza-manaon’ny mpampianatra sy ny mpandraharaha ary ny Talen-tsekoly no vy nahitana izany fahombiazana izany. Isan’ny angady nananana izany fampiofanana izany ny Minisitera miandraikitra ny fanabeazana. Izany fiaraha-miasa izany dia hihamafy orina amin’ity taona 2018 ity, hoy ny Tale jeneralin’ny Fanabeazana fototra sy ny fampianarana mamaky teny sy manoratra, Andriamatoa Andriamampandry Todisoa.
Sekoly vanona isika, hoy ny hafatry ny Filohan’ny FJKM, ny Mpitandrina Irako Andriamahazosoa Ammi, izay nitarika ny mpikambana avy amin’ny FJKM Foibe tamin’ny fanotronana ny fanompoam-pivavahana, ary noho izany no tsy nanadinoana ka niarahabana ireo raiamandreny sy tompon’andraikitra maro amin’ny fiahiana sy fitantanana ny sekoly.
Mijoro ho vonona hatrany ny sekoly na dia teo aza ireo fanembantsembanana ny fizotry ny fampianarana tamin’iny telo volana voalohany iny. Tsy misy fiovana ny tetikandrom-pampianarana, araka ny fanamarihan’ny tompon’andraikitra fa mifarana ny 03 Aogositra ihany ny taom-pianarana. Hetsika maro no hotanterahina mandritr’ity taona ity. Any Mahajanga no hankalazana ny Andron’ny sekoly amin’ny taom-pianarana 2017-2018 ity.
Vavolombelon’ny tantara ny sekoly FJKM, hoy ny Tale nasionaly sady Tonian’ny Departemantan’ny Sekoly, Ramatoa Rakotondranaivo Domoina . Anatin’izany dia asain’ny Tompo mijoro ho vavolombelon’i Kristy ihany koa izy amin’ny fizarana ny hafatry ny Filazantsara amin’ireo taranaky ny fiangonana beazina anivon’ireny sekoly ireny. Izany no hafatra nampitain’ny raiamandreny Sekretera jeneralin’ny FJKM tanatin’ny toriteny. Tsy ho menatra ny Fiangonana – sy ny sekoly – ary mivonona ny ho maritiora amin’izany fijoroana vavolombelona izany.
Ny Rina (Santatra fahazavana)