HERINANDRON’NY ASA SOSIALY FJKM

ANDIANY VOALOHANY NY 14, 15, 16 JANOARY 2026

HOTANTERAHINA ENY AMIN’NY KIANJA BAREA MAHAMASINA

Fiangonana manakaiky ny Vahoaka, no anisan’ny antom-pisian’ny FJKM Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara. Ho tanterahina ny 14, 15, 16 Janoary 2026 isaky ny amin ’ny 08 ora maraina ka hatramin’ny 04 ora sy sasany hariva ny herinandron’ ny asa sosialy FJKM andiany voalohany. Ao amin’ny  KIANJA BAREA MAHAMASINA, eo amin’ny R+1 rihana voalohany no toerana hisehoan’ ity asa sosialy sy fitoriana filazantsara ity.
Ny Filohan’ny FJKM sy ny Biraon’ny Mpiandraikitra Foibe  FJKM; ny Sekretera Jeneraly sy ny Mpanatanteraka rehetra ; ny FJKM manontolo dia manasa ny Mpiara-belona rehetra tsy ankanavaka mba ho tonga hanatrika izany asa sosialy andiany voalohany izany. Fitoriana ny Filazantsara amin’ireo olona rehetra mitsidika sy mandalo ao, fizarana sakafo maimaim-poana ho an’ireo olona marefo ara-pivelomana,  fitsaboana sy fitilina ara-pahasalamana maimaim-poana, hisy koa tolotr’asa hataon’ireo orinasa maro mitady mpiasa, hisitrahana torolàlana sy fampiofanana arak’asa ho an’ny tanora sy ny olon-dehibe ireo no hositrahan’ izay rehetra tonga eny an- toerana araka ny fanazavana nentin- dRtoa Lala Disaine, mpitahiry vola eo anivon’ny birao mpiandraikitra Foibe FJKM. Olona 6500 isan’ andro no kendrena hisitraka ireo tolotra ireo araka izay filany avy.
Fifaliana lehibe ho an’ny FJKM sady ho voninahitry ny Tompo Jesoa Lohan’ny Fiangonana, ny hanome ireo tolotra ireo.
 “Moa tsy ny hizara ny mofonao ho an’ny noana va, sy ny hampiantrano ny ory manjenjena; ary mba hanafianao iza hitanao mitanjaka ka tsy hihirim-belona amin’izay anananao ianao. Fa raha izany dia hiposaka tahaka ny fahazavan’ny maraina ny fahazavanao” (Jer 58,7-8)
Filazantsara ho an’ ny olona rehetra, filazantsara ho an’ ny olona manontolo no banjinin’ ny fiangoanana ao anatin’ ireo teny fanetanana: « 𝗠𝗮𝗺𝗼𝗸𝗮𝘁𝗿𝗮 𝘁𝘀𝗮𝗿𝗮, 𝗺𝗮𝗺𝗼𝗸𝗮𝘁𝗿𝗮 𝗯𝗲𝘁𝘀𝗮𝗸𝗮 , 𝗺𝗮𝗺𝗼𝗸𝗮𝘁𝗿𝗮 𝘁𝘀𝘆 𝘁𝗮𝗽𝗮𝗸𝗮 » amin’ izao taom- panompoana 4 taona manaraka izao.