Mahay ny zavatra rehetra ny Tompo

Mofonaina anio: Alarobia, faha 07 Janoary 2026

Sal 27.1-7 / HF 48 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / HF 53

Asan'ny Apostoly 9,1 - 9
Mahay ny zavatra rehetra ny Tompo 1- Miaro ny mpanompony Izy Tsy mandeha ho azy akory ny asa fitoriana ny Filazantsara fa tsy maintsy misy hatrany ny sakantsakana izay miseho amin'ny endriny samihafa. Mafy ny fanenjehana ny nahazo ny Kristiana sy ny Apostoly tany Jerosalema sy ny manodidina taorian'ny nitsanganan'i Jesoa tamin'ny maty. I Saoly dia lehilahy nafana fo tamin'ny fanenjehana sy ny fampihorohoroana ary ny fanagadrana sy famonoana ireo Kristiana. Nananany ny fahefana, teo am-pelatanany ny hery rehetra satria nahazo taratasy fahazoan-dalana hanao izany izy (and.1-3). Amin'ny fotoan-tsarotra sy mahatahotra ny Kristiana toy izany indrindra no miditra an-tsehatra i Jesoa ka miaro ny mpanompony amin'ny fomba tsy takatry ny saina: "Saoly, Saoly, nahoana ianao no manenjika Ahy? Mazava araka izany fa izay manenjika ny mpanompon' Andriamanitra dia manenjika an'i Jesoa. 2- Na ny fahavalony aza, azony ampiasaina. Voasakana teo ny fikasan'i Saoly rehefa nihaona tamin'i Jesoa. Tsy zakan'ny masony ny hazavana nanelatrelatra nanodidina azy ka lavo tamin'ny tany izy. Tonga jamba ny masony ka tsy afaka hanohy ny lalany intsony. Resy tanteraka izy, tsy afaka hifampitaha sy hifanandrina amin'ny hery ananan'i Jesoa ny hery sy ny fahefana teo am-pelatanany. Manomboka eto dia i Jesoa no manam-pahefana hanome baiko azy amin'izay asa hampanaovina azy: "...Mitsangana, ka mankanesa ho any an-tanana, dia holazaina aminao izay mety hataonao." (and. 6). Rehefa mihaona amin'i Jesoa ny olona dia miova ny fisainany. Fanontaniana: Inona no mahatonga ny olona sasany hanenjika sy hanaratsy ny mpitondra fivavahana? Sampana Sekoly Alahady Foibe

Mofon'aina teo aloha

Mahefa ny zavatra rehetra ny Tompo.

Talata, 6 Janoary 2026

Mahefa ny zavatra rehetra ny Tompo. Manana endrika ohabolana mifono anatra ny Soratra Masina anio,…

Jehovah Andriamanitra no mpahary ny ...

Alatsinainy, 5 Janoary 2026

Jehovah Andriamanitra no mpahary ny olombelona. 1- Noforonina mba hanam-pifandraisana Aminy isika. Ny fampiasana miaraka…

Ny namangian’i Jesoa tao Nazar...

Alahady, 4 Janoary 2026

Ny namangian'i Jesoa tao Nazareta. 1- Nahatalanjona ny olona ny fampianarany (and.54) Nanaitra ny olona…