Jehovah Andriamanitra no mpahary ny olombelona.
Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 05 Janoary 2026
Sal. 24.1-10 / Hira 23 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / HF 21
Genesisy 2,4 - 9
Jehovah Andriamanitra no mpahary ny olombelona.
1- Noforonina mba hanam-pifandraisana Aminy isika.
Ny fampiasana miaraka ny anarana hoe: "Jehovah Andriamanitra" dia anehoana an'Andriamanitra ho Ilay Mpahary mahery indrindra sy ny fifandraisany amin'ny zanak'olombelona. Tsy mba tahaka ny zava-boary rehetra ny fomba namoronan' Andriamanitra ny olombelona, fa nataony tamin'ny fomba manokana: nofofoniny fofonaina mahavelona ny vavorony, dia tonga olombelona izy (and.7). Midika izany fa Izy no loharanon'ny fiainan'ny olombelona, ary an'Andriamanitra ny aina. Rehefa miala ny fofonaina, dia miverina ho vovoka izy. Azo adika hoe "fanahy" ihany koa io fofonaina io, dia ilay fanahin'Andriamanitra izay mampiavaka azy amin'ny zava-manan'aina hafa sy ananana fifandraisana velona amin'Ilay Mpahary azy.
2- Notiaviny manokana ny olombelona
Toerana mahafinaritra sy azo ivelomana, ahafahana mianatra sy mitombo amin'ny fifandraisana amin'Andriamanitra sy ny zava-boary no nametrahana ny olombelona. Ny hazon'aina teo afovoan'ny saha dia maneho ny fanatrehan'Andriamanitra azy isanandro, ary ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy kosa dia maneho sy mampitandrina azy noho ny fisian'ilay Ratsy, dia ny devoly izay mety hamitaka azy ka hialany amin'ny fankatoavana ny Tenin'Andriamanitra. Fitiavan'Andriamanitra no amelana ny olona hisafidy an-kalalahana hankato ny Teniny na tsia. Tsy miova ny fitiavany, ka na dia tsy nankato ny Teniny aza ny olombelona dia navotany indray tamin'ny alalan'i Jesoa Kristy. Izay rehetra mino Azy dia hiaina am-pahasambarana indray ao amin'ilay Edena vaovao, ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra.
Fanontaninana:
Inona no antony handavan'ny olona ny Tenin'Andriamanitra?
Sampana Sekoly Alahady Foibe