Miharatsy izao tontolo izao

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 20 Novambra 2025

Sal 24. 7-10 / Hira190: 1 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 444:1

Joda 1,17 - 23
17 Fa tsarovinareo, ry malala, ny teny voalazan'ny Apostolin'i Jesosy Kristy Tompontsika fahiny; 18 fa efa nilaza taminareo hoe izy: Amin'ny andro farany dia hisy mpaniratsira, mandeha araka ny filan'ny haratsiam-panahiny. 19 Ireo no mahatonga fisarahana, dia olona araka ny nofo ihany, fa tsy mba manana ny Fanahy*. [* Na: tsy mba manana fanahy] 20 Fa ianareo kosa, ry malala, dia ataovy izay handrosoanareo amin'ny finoanareo masina indrindra, ka mivavaha ao amin'ny Fanahy Masina; 21 ary tehirizo ny tenanareo ao amin'ny fitiavan'Andriamanitra, miandry ny famindram-pon'i Jesosy Kristy Tompontsika ho fiainana mandrakizay. 22 Ary amindrao fo ny sasany izay miahanahana*; [* Na: raha miady aminareo izy] 23 ary ny sasany kosa sariho avy amin'ny afo no famonjy azy; ary ny sasany indray amindrao fo amin-tahotra, ka mankahalĂ  na dia ny akanjo voapentimpentin'ny nofo aza.

Sal 24. 7-10 / Hira190: 1 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 444:1

Ny Mofonaina anio dia mananatra ny amin’ny mpampianatra sandoka sy ny tokony hatao manoloana izany, ary mampahatsiahy antsika koa fa miharatsy izao tontolo izao, fa ianao Kristiana kosa:

« Fa ianareo kosa, ry malala… » hoy i Joda eto; entiny milaza fa ny Kristiana dia taomina hahajoro tsara amin’ny finoana ka tsy ho voasariky ny mpampianatra sy ny fampianarana sandoka samihafa izay mahazo vahana eo anivon’ny fiaraha-monina. Tsy ho mora voarebireby foana fa hahay hizaha toetra ny fanahy (1 Jao 4. 1) na tena avy amin’ Andriamanitra tokoa na fanahy sy mpampianatra mirentirenty sy mandrobo etsy sy eroa.

« Fa ianareo kosa, ry malala, dia ataovy izay handrosoanareo amin’ny finoanareo masina indrindra, ka mivavaha ao amin’ny Fanahy Masina« . Eto kosa dia taomina isika Kristiana hihevitra ny hitomboana amin’ny finoana mandrakariva, ary hanana fiainam-bavaka matanjaka sy hivelona amin’ny Tenin’ Andriamanitra, mba tsy ho mora andairan’ny fanozongozonana amin’ny endriny samihafa.

« Ary tehirizo ny tenanareo ao amin’ny fitiavan’Andriamanitra. miandry ny famindram-pon’i Jesosy Kristy Tompontsika ho fiainana mandrakizay.« . Ity andininy ity, dia mitaona ny Kristiana hifanampy sy hifanome tanana amin’ny hahazoana mihazona tsara ny finoana sy ny fampianarana tsy misy kilema. Azo tanterahina amin’ny alalan’ny fifampitondrana am-bavaka izany, amin’ny alalan’ny fifamangiana sy fifampaherezana amin’ny endriny samihafa ihany koa.

Inona tsara no andrasana amintsika Kristiana?