Kristiana velona amin’ny onony, velona amin’ny marina ary velona amin’ny toe-panahy araka an’Andriamanitra
Mofonaina anio: Alarobia, faha 19 Novambra 2025
Sal 103. 1-5 / Hira 206: 1 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 432: 1
Titosy 2,11 - 15
11 Fa efa miseho ny fahasoavan'Andriamanitra, izay famonjena ny olona rehetra, 12 mampianatra antsika handĂ izay toe-panahy tsy araka an'Andriamanitra sy ny filan'izao tontolo izao ary ho velona amin'ny onony sy ny marina ary ny toe-panahy araka an'Andriamanitra amin'izao fiainana ankehitriny izao, 13 miandry ny fanantenana mahafinaritra sy ny fisehoan'ny voninahitr'Andriamanitra lehibe sady Mpamonjy antsika, dia Jesosy Kristy*, [* Na: Andriamanitra lehibe sy Jesosy Kristy, Mpamonjy antsika] 14 Izay nanolotra ny tenany hamonjy antsika, mba hanavotany antsika ho afaka amin'ny ota rehetra, sy hanadiovany izay olona ho an'ny tenany, sady ho mazoto indrindra amin'ny asa tsara izany. 15 Izany no lazao sy ananaro ary andrarao amin'ny fahefana rehetra. Aza avela hisy hanao tsinontsinona anao.Sal 103. 1-5 / Hira 206: 1 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 432: 1
Titosy 2. 11-15
Ny mofonaina anio, dia mampianatra toy izao: eo am-piandrasana an’i Jesoa Kristy, ny Kristiana dia taomina ho:
1. Velona amin’ny onony (and 12a)
« Mampianatra antsika handà izay to-panahy tsy araka an’Andriamanitra sy ny filan’izao tontolo izao ary ho velona amin’ny onony… ». Ny dikan’ny hoe » velona amin’ny onony » dia hoe hahafchy tena sy hanana fanetren-tena ka tsy ho latsaka amin’ny fanarahan-davahana fotsiny ny fiainana feno filibana sy rendrarendra ataon’ny fiaraha-monina (ny tao Kreto mantsy dia be filibana ny fiaraha-monina). Mampahomby ny fitoriana ny Filazantsara izany, satria tsy teny fotsiny, fa fiainana azo alain-tahaka.
2. Velona amin’ny marina (and 12b)
« …ary ho velona amin’ny onony sy ny marina ». Ny hevitry ny hoe << marina >> eto dia ilazana ny fahaiza-miara-monina amin’ny hafa am-pitiavana sy fifanajana, tsy manavaka na iza na iza; fa tia sady mihevitra izay hahasoa ny mpiara-belona. Moa va tsy tahaka izay nataon’i Jesoa mihitsy, ary miara-dalana amin’izany ny fankatoavana ny didin’Andriamanitra!
3. Velona amin’ny toe-panahy araka an’Andriamanitra (and 12d)
« …Ho velona amin’ny onony sy ny marina ary ny ta-panahy araka an’Andriamanitra amin’izao fiainana ankehitriny izao ». Toc-panahy ateraky ny fahatsapana ny hasarobidin’ny fahasoavan Andriamanitra, ka iainana mifanaraka amin’ny tena fiainana Kristiana: fianam-pitiavana, fiainam-pankatoavana, fiainana hanoherana fakam-panahy, fiainana tsara fifandraisana amin’Andriamanitra amin’ny fotoana rehetra.
Fanontaniana
Ahoana ny hahazoana mampihatra ireo voalaza ireo?
Sampana Sekoly Alahady Foibe