Amin’ny andro sisa iainanao

Mofonaina anio: Alahady, faha 16 Novambra 2025

Sal 100. 1-5 / Hira 207: 1 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 750: 5

1 Petera 4,1 - 6
1 Koa satria niaritra tamin'ny nofo Kristy, dia alao mba ho fiadianareo izany saina izany; fa izay niaritra tamin'ny nofo dia efa afaka* tamin'ny ny ota; [* Gr.nampitsaharina] 2 mba tsy handanianareo ny andro sisa iainanareo amin'ny nofo araka ny filan'ny olona intsony, fa araka ny sitrapon'Andriamanitra. 3 Fa ampy izay ny andro lasa ho nanaovana ny fanaon'ny jentilisa tamin'ny nandehanana tamin'ny fijejojejoana sy ny fanirian-dratsy sy ny fimamoana sy ny filalaovan-dratsy sy ny fisotroan-toaka ary ny fanompoan-tsampy izay fady indrindra; 4 ary amin'izany dia gaga izy ireo, satria tsy miara-mihazakazaka aminy ianareo amin'izany fanaranam-po amin'ny ratsy izany, ka dia teneniny ratsy; 5 nefa hampamoahin'ilay efa vonona hitsara ny velona sy ny maty 6 Fa noho izany no nitoriana ny filazantsara tamin'izay maty aza; mba hotsaraina araka ny olona amin'ny nofo izy fa ho velona araka an'Andriamanitra amin'ny fanahy.

Sal 100. 1-5 / Hira 207: 1 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 750: 5

Epistily nosoratana hampahery ny Kristiana miatrika fanenjehana sy fizahan-toetra mahamay ny 1 Petera. Eto dia ampianariny mazava ny Kristiana hoe: Amin’ny andro sisa iainanao:

« …mba tsy handanianareo ny andro sisa iainanareo amin’ny nofo araka ny filan’ny olona intsony, fa araka ny sitrapon’ Andriamanitra. » hoy ny Soratra Masina. Mihasinkasina amin’izany fampirisihana izany, fa zava-tsarobidy ho an’ny mino, na dia ao anaty fotoan-tsarotra aza ny mikatsaka hanao izay mifanaraka amin’ny Sitrapon’ny Tompony (Sal 40.8), tahaka an’i Jesoa rahateo (Lio 22. 42) na dia tao anaty hirifiry aza Izy.

« Fa ampy izay ny andro lasa ho nanaovana ny fanaon’ny jentilisa… » hoy i Petera manohy ny toromarika omeny. Ny atao hoe Jentilisa resahiny eto, dia tsy hoe ny tsy jiosy tahaka izay ao amin’ny Testamenta taloha fotsiny akory, fa hanondroana ireo tsy resy lahatra amin’ny finoana an’i Kristy, ka mirona hanao izay danin’ny nofony amin’ny ataony rehetra. Ny Kristiana kosa, tsy miverina amin’ny lalan-disony intsony fa efa miaina fiainam-baovao (2 Kor 5. 17)

« Ary…satria tsy miara-mihazakazaka aminy ianareo amin’izany fanaranam-po amin’ny ratsy izany, ka dia teneniny ratsy ». Ampiomanin’i Petera isika, fa rehefa tsy manara-davahana amin’ny fanao jentilisa sy miray petsapetsa aminy, dia henjehiny sy hiharan’ny fanosoram-potaka amin’ny endriny samihafa, kanefa tsy izany akory no hahakivy na hampiverin-dalana, fa vao mainka aza iorenana mafy amin’ny finoana (Lio 21. 17)

Inona no heverinao handaniana ny andronao sisa hatrizao?