Izay miandry ny Tompo dia mandroso hery

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 06 Novambra 2025

Sal 93 / Hira 201 :1,2,3 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 543 1,3

Isaia 40,27 - 31
27 Nahoana no miteny ianao, ry Jakoba Ă´, ary milaza ianao, ry Isiraely Ă´, hoe: Miafina tsy hitan'i Jehovah ny lalako, ary mihelina tsy hitan'Andriamanitro ny rariny tokony ho ahy? 28 Tsy fantatrao va? Tsy efa renao va fa Andriamanitra mandrakizay Jehovah, izay namorona ny faran'ny tany? Tsy mba mety ho reraka na sasatra Izy; Tsy takatry ny saina ny fahalalany. 29 Mampahatanjaka ny reraka Izy, ary izay kely hery dia omeny hery be. 30 Na dia ny tanora fanahy aza dia ho reraka sy ho sasatra, ary na dia ny zatovo aza dia mety ho tafintohina mafy; 31 Fa izay miandry an'i Jehovah dia mandroso hery kosa; Elatra no hiakarany tahaka ny voromahery; Hihazakazaka izy, nefa tsy ho sasatra; Handeha izy, nefa tsy ho reraka.

 

Isiraely babo, manantena ny famonjen’ Andriamanitra no ampaherezina eto amin’izao Soratra Masina izao. Izay miandry ny Tompo dia mandroso hery satria :

Ambara eto fa Andriamanitra mahita ny zavatra rehetra, na ny miafina aza, amin’ny maha Mpahary Azy. Noho izany dia miharihary eo anatrehany ny fiainan’ny olona, indrindra ny fahoriana izay mianjady aminy any am-pahababoana. Nihevitra tokoa ireto vahoaka fa narian’ Andriamanitra. Voalaza eto anefa fa mandrakizay Izy, tsy miova amin’ny maha Andriamanitra Azy. Ahatsiarovana ny tamin’ny fanandevozana izay nilazan’ny Tompo hoe: « efa hitako tokoa ny fahorian’ny oloko izay any Egypta » (Eks. 3,7a). Koa matokia, fa hitan’ Andriamanitra ny ady izay atrehanao, aza kivy na very fanantenana fa aoka hibanjina ny fahalebiazan’ Andriamanitra satria tsy takatry ny saina tokoa ny fahalalany sy ny asany eo amin’ny fiainantsika vahoakany.

Hery avy aiza no hiankinanao eo amin’ny fiainana?