Izay miandry ny Tompo

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 03 Novambra 2025

Sal. 62, 1 – 8 / Hira 18, 1, 2, 4 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 64, 3

Salamo 25,1 - 7
1 [Salamo abidy. Fangatahana fiarovanana sy fitarihana] Nataon'i Davida. Aminao, Jehovah Ă´, no anandratako ny fanahiko. 2 Andriamanitro Ă´, Hianao no itokiako, aoka tsy ho menatra aho; aoka tsy hifalian'ny fahavaloko aho. 3 Eny, tsy hisy ho menatra izay rehetra miandry Anao; fa izay mivadika foana no ho menatra. 4 Ampahafantaro ny lalanao aho, Jehovah Ă´; ampianaro ny sitrakao aho. 5 Tariho amin'ny fahamarinanao aho, ka ampianaro; fa Hianao no Andriamanitry ny famonjena ahy; Hianao no andrasako mandritra ny andro. 6 Tsarovy ny antranao sy ny indrafonao, Jehovah Ă´, fa hatrizay hatrizay ireny. 7 Aza ny fahotan'ny fahatanorako, na ny ratsy nataoko, no tsarovanao; fa aoka ho araka ny famindram-ponao no hahatsiarovanao ahy, noho ny fahasoavanao Jehovah Ă´,

Salamo 25, 1 – 7

Izao mofonaina izao dia vavaka fangatahana ary ahatakarana fa izay miandry ny Tompo dia :

1. Matoky ny fiarovany (and. 1 – 3)

Anombohan’ny mpanao Salamo ny vavaka ny filazany fa Andriamanitra irery no Andriamaniny ary tsy misy hafa antenainy. Izy irery no inoany fa hiaro azy manoloana ny fahavalony. Satria Izy no Tompon’ny hery sy fahefana ka azo antoka fa hiaro azy. Mahatoky tokoa Andriamanitra ka tsy mivadika ami’ny fanekena fa hiaro ny olony. Tena ao am-pony izany ka ambarany mandrakariva. Hoy ny voasoratra : «Fa harambato sy batery fiarovana ho ahy Hianao.» (Sal. 31, 3a) Ny fahavalo tsy ho tapitra mandra-piverenan’ny Tompo, saingy ny fiarovany dia mahery lavitra. Rehefa matoky tanteraka ny fiarovan’Andriamanitra isika dia resy ny tahotra amin’ny fahavalo ka afaka hiasa sy hanompo Azy amin-kalalahana sy am-pitiavana toy ny olona afaka.

2. Miankin-doha tanteraka Aminy (and. 4 – 7)

Ao anatin’izao vavaka fangatahana izao dia hita soritra fa ny singa maro handrafitra ny fiainan’ny mpangataka dia mifamatotra amin’Andriamanitra avokoa. Ny lalan’ny Tompo no tiany ho fantatra ka izorany. Ny sitrapony no iriany hotanterahina; te hiaina amin’ny fahamarinany izy; manantena ny famonjena avy Aminy.; miandrandra ny famindrampony. Tena miankin-doha tanteraka amin’Andriamanitra izy. Na dia tsy tanteraka aza ny mpangataka dia sahy mitondra ny hetahetany satria fantany izay ivavahany fa Fitiavana; ary resy lahatra izy fa ao Aminy no misy ny tena fahasoavana. Toy izany ny olona mino sy mifamato-piainana amin’ny Tompo, afaka hilaza toa an’i Paoly fa tsy izy intsony no velona fa Kristy no velona ao anaty.

Fanontaniana :

Hita taratra eo amin’ny fiainanao ve ny fisian’Andriamanitra ?

Sampana Sekoly Alahady Foibe