Fananarana ataon’Andriamanitra ho an’ny vahoaka Isiraely

Mofonaina anio: Alahady, faha 02 Novambra 2025

Sal 92,1-3 / Hira 4:1,2 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 487 :1,2

Hosea 12,4 - 7
4 Fony mbola tany am-bohoka dia nihazona ny ombelahin-tongotry ny rahalahiny izy, ary rehefa lehibe izy, dia nitolona tamin'Andriamanitra; 5 Eny, nitolona tamin'Ilay Anjely izy ka nahery; Nitomany izy sady nifona taminy; Nahita azy tao Betela Izy, ary tao no niresahany tamintsika; 6 Jehovah, Andriamanitry ny maro, Jehovah no hahatsiarovana Azy. 7 Koa miverena amin'Andriamanitrao ianao; Tandremo ny famindram-po sy ny rariny. Ary miandrasa an'Andriamanitrao mandrakariva.

Hosea 12. 4-7

Izao Soratra Masina izao dia tohin’ny fananarana ataon’ Andriamanitra ho an’ny vahoaka Isiraely izay miala Aminy ka manompo andriamanitra hafa. Noho izany dia antsoin’ Andriamanitra izy ireo eo amin’ny and. 7 mba:

1. Hiverina amin’Andriamanitra

Mampahatsiaro ny tantaran’i Jakoba, izay niavian’ny vahoaka Isiraely, Andriamanitra (and.4). Toa maneho miharihary ny tsy fahatanterahan’ilay ray nipoirana, eny hatrany am-bohoka mihintsy aza. Indrisy fa ireto taranany dia mbola nanao zava-dratsy lavitra noho izy, satria manompo sampy. Tao anatin’izany fahotana izany indrindra no nitaomana azy ireo mba hiverina amin’llay Ray Mpahary. Tsy miova Izy, izay manatona Azy dia tsy misy nolavina na iray aza. Hoy Jesoa: « Tsy avy hiantso ny marina Aho fa ny mpanota mba hibebaka » (Lio 5, 32). Koa izay mahatsiaro fa efa nihodina na nanalavitra an’Andriamanitra, dia aoka hiverina Aminy, fa vonona handray Izy.

2. Hanana fiainam-baovao

Fomba vaovao sady tsara no mandrafitra ny fiainan’izay tefaverina amin’Andriamanitra: mitandrina ny famindrampo sy ny rariny ary miandry an’Andriamanitra. Hita eo amin’ny and. 1,8,9 fa tena manjaka ny tsy rariny ka tsy mamindrafo ny olona; izay mahasoa ny tenany ihany no ataony, na hanimba ny hafa aza. Ireo voatanisa ireo dia hita teo amin’i Jakoba rehefa nahatsiaro ny fahadisoany tamin’i Esao rahalahiny izy (Gen.32; 33) ary ampahatsiahivina eo amin’ny and.5. Tena nanantena an’Andriamanitra izy ka tsy namelany raha tsy nitahy azy Izy. Manana fijery sy fisainana vaovao tanteraka izay miverina Aminy.

Fanontaniana:

Tsapanao ve ny fiovan’ny fiainanao ao amin’i Jesoa Kristy?

Sampana Sekoly Alahady Foibe